1只传耶稣基督钉十字架
1Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. [Na: [ny filazana]
2因为我曾立定主意,在你们中间什么都不想知道,只知道耶稣基督和他钉十字架的事。
2Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana;
3我在你们那里的时候,又软弱又惧怕,而且战战兢兢;
3ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4我说的话、讲的道,都不是用智慧的话去说服人,而是用圣灵和能力来证明,
4ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery,
5使你们的信不是凭着人的智慧,而是凭着 神的能力。
5mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
6属灵的人看透万事然而在信心成熟的人中间,我们也讲智慧,但不是这世代的智慧,也不是这世代将要灭亡的执政者的智慧。
6Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7我们所讲的,是从前隐藏的、 神奥秘的智慧,就是 神在万世以前,为我们的荣耀所预定的;
7fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao;
8这智慧,这世代执政的人没有一个知道,如果他们知道,就不会把荣耀的主钉在十字架上了。
8ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra.
9正如经上所记:“ 神为爱他的人所预备的,是眼睛未曾见过,耳朵未曾听过,人心也未曾想到的。”
9Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3),
10但 神却借着圣灵把这些向我们显明了,因为圣灵测透万事,连 神深奥的事也测透了。
10dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
11除了在人里面的灵,谁能知道人的事呢?同样,除了 神的灵,也没有人知道 神的事。
11Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
12我们所领受的,不是这世界的灵,而是从 神来的灵,使我们能知道 神开恩赐给我们的事。
12Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
13我们也讲这些事,不是用人的智慧所教的言语,而是用圣灵所教的言语,向属灵的人解释属灵的事(“向属灵的人解释属灵的事”或译:“用属灵的话解释属灵的事”)。
13Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. [ Na: teny] [ Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy]
14然而属血气的人不接受 神的灵的事,因为他以为是愚笨的;而且他也不能够明白,因为这些事,要有属灵的眼光才能领悟。
14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15属灵的人能看透万事,却没有人能看透他,
15Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [ Na: azy]
16如经上所记:“谁曾知道主的心意,能够指教他呢?”但我们已经得着基督的心意了。
16Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [ Na: azy]