聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Acts

14

1在以哥念
1[Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
2但不顺从的犹太人,煽动外族人,激起他们仇恨的心,来反对弟兄们。
2Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
3两人却仍住了很久,靠着主放胆讲论,主也借着他们的手行神迹奇事,证实他恩惠的道。
3Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
4城里众人就分裂了,有的附从犹太人,也有的附从使徒。
4Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5当时,外族人、犹太人,和他们的首领,蠢蠢欲动,想要侮辱使徒,用石头打他们。
5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
6两人知道了,就逃往吕高尼的路司得和特庇两城,以及周围的地方,
6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
7在那里传福音。
7dia nitory ny filazantsara tany.
8在路司得路司得城有一个双脚无力的人,坐在那里。他生来就是瘸腿的,从来没有走过路。
8Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9他听保罗讲道;保罗注视他,见他有信心,可以治好,
9izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10就大声说:“你起来,两脚站直!”他就跳起来,并且走起路来。
10dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11众人看见保罗所作的事,就用吕高尼话大声说:“有神明成了人形,降到我们这里来了!”
11Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
12于是他们称巴拿巴为宙斯,称保罗为汉密士,因为保罗带头讲话。
12Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [ Gr. Zeosy] [ Gr. Hermesy]
13城门前宙斯庙的祭司,牵着几头公牛,拿着一些花圈来到门口,要同群众一起献祭。
13Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14巴拿巴和保罗两个使徒听见了,就撕裂衣服,跳进群众中间,喊着说:
14Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
15“各位,为什么这样作呢?我们也是人,性情和你们一样,我们传福音给你们,正是要你们远离这些虚妄的事,归向永活的 神,就是那创造天、地、海和其中万物的 神。
15Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
16在从前的世代里,他容忍万国各行其道,
16Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
17然而却未尝不为自己留下明证,就如常常行善事,从天上降下雨来,常常赏赐丰年,使你们吃喝充足,满心欢乐。”
17Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
18两人说完了这些话,这才阻止群众,不向他们献祭。
18Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19但有些犹太人,从安提阿、以哥念来,挑唆群众,用石头打保罗,以为他死了,就拖到城外去。
19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
20门徒正围着他的时候,他竟然站起来,走进城里去了。第二天,他跟巴拿巴一同到特庇去。
20Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21结束第一次宣教旅程他们在那城里传福音,使许多人作了门徒,然后回到路司得、以哥念、安提阿,
21Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22坚固门徒的心,劝他们恒守所信的道,又说:“我们进入 神的国,必须经历许多苦难。”
22nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
23两人在各教会为他们指派了长老;禁食祈祷之后,就把他们交托给所信的主。
23Ary rehefa nanendry loholona teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [ Na: nampananga-tanana nifidy] [ Gr. presbytera]
24两人经过彼西底,来到旁非利亚,
24Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25在别加讲道以后,就下到亚大利。
25Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26从那里坐船往安提阿。从前众人就是在这地方,把他们交托在 神的恩典中,派他们去工作,现在他们已经完成了。
26Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
27他们到了那里,就召集了会众,报告 神跟他们一起所行的一切,并且他为外族人开了信道的门。
27Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
28两人同门徒住了不少日子。
28Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.