1往马其顿及希腊
1[Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
2他走遍那一带地方,用许多话劝勉众人,然后来到希腊。
2Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
3他在那里住了三个月,正要坐船往叙利亚去的时候,有些犹太人设计要害他,他就决意路经马其顿回去。
3Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
4与他同行的有比里亚人毕罗斯的儿子所巴特,帖撒罗尼迦人亚里达古和西公都,特庇人该犹和提摩太,亚西亚人推基古和特罗非摩。
4Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
5这些人先走,在特罗亚等候我们。
5Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6至于我们,过了除酵节才从腓立比开船,五天后到特罗亚他们那里,逗留了七天。
6Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
7在特罗亚使犹推古复活礼拜日,我们聚会擘饼的时候,保罗对大家讲道,他因第二天就要起行,就一直讲到半夜。
7Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
8我们聚会的那座楼上,有许多灯火。
8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
9有一个少年人,名叫犹推古,坐在窗台上,因为保罗讲得很长,他很困倦,沉沉地睡着了,就从三楼跌下来;把他扶起来的时候,已经死了。
9Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10保罗走下去,伏在他身上;把他抱住,说:“你们不要惊慌,他还活着。”
10Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
11随即回到楼上,擘饼吃了,又讲了很久,直到天亮才走。
11Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
12他们把活着的孩子带走,得到很大的安慰。
12Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
13从特罗亚往米利都我们先上船,开往亚朔,照着保罗的安排,要在那边接他,因为他自己要走陆路去。
13Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy. [ Na: handeha tongotra]
14他在亚朔与我们会合,我们接他上船,去到米推利尼。
14Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15从那里开船,第二天到了基阿对面,过了一天就在撒摩靠岸,再过一天到了米利都。
15Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]
16原来保罗决定越过以弗所,免得在亚西亚耽搁时间,因为他希望能在五旬节赶到耶路撒冷。
16Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17保罗劝勉以弗所的长老他从米利都派人去以弗所,请教会的长老来。
17[Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon'ny fiangonana hankeo aminy. [ Gr. presbytera] [Gr. eklesia]
18他们到了,保罗说:“你们知道,自从我到了亚西亚的第一天,我一直怎样跟你们相处,怎样服事主,
18Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,
19凡事谦卑,常常流泪,忍受犹太人谋害的试炼。
19dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
20你们也知道,我从来没有留下一件有益的事,不在众人面前或在家里告诉你们,教导你们。
20ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;
21我对犹太人和希腊人都作过见证,要他们悔改归向 神,信靠我们的主耶稣。
21ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [ Gr. Grika]
22现在,我的心灵受到催逼,要去耶路撒冷,我不知道在那里会遭遇什么事,
22Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [ mifatotra]
23只知道在各城里圣灵都向我指明,说有捆锁和患难在等着我。
23afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
24但我并不珍惜自己的性命,只求跑完我的路程,完成我从主耶稣所领受的职分,为 神恩惠的福音作见证。
24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
25“我曾在你们那里走遍各地,宣扬 神的国。现在,我知道你们众人不会再见我的面了。
25Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
26所以我今天向你们作证,我是清白的,与众人的罪(“罪”原文作“血”)无关。
26Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
27因为 神的全部计划,我已经毫无保留地传给你们了。
27Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
28圣灵既然立你们为全群的监督,牧养 神用自己的血所赎来的教会,你们就应当为自己谨慎,也为全群谨慎。
28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny. [Gr. episkopo] [ Gr. eklesia'] [ Na: [ny fiangonan'ny Tompo]
29我知道在我离开之后,必有凶暴的豺狼进入你们中间,不顾惜羊群。
29Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [ Gr. lopa]
30你们自己中间也必有人起来,讲些歪曲悖谬的话,引诱门徒跟从他们。
30Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
31所以你们应当警醒,记念我三年之久,昼夜不停地带着眼泪劝戒你们各人。
31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.
32现在我把你们交托给 神和他恩惠的道;这道能建立你们,也能在所有成圣的人中赐基业给你们。
32Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
33我从来没有贪图任何人的金银或衣服。
33Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
34我这两只手,供应了我和同伴的需要,这是你们自己知道的。
34Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
35我凡事以身作则,你们必须照样辛劳,扶助软弱的人,并且记念主耶稣的话:‘施比受更为有福。’”
35Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36他说了这些话,就跪下来同大家一起祷告。
36Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37众人都痛哭,伏在保罗的颈上,与他亲嘴。
37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
38他们最伤心的,是保罗说他们不会再见他的面那句话。最后他们送他上了船。
38sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]