聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Acts

23

1保罗定睛看着公议会的各人,说:“各位弟兄,我在 神面前,行事为人一向都是凭着良心的。”
1Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
2大祭司亚拿尼亚就吩咐站在他旁边的人打保罗的嘴巴。
2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
3保罗对他说:“你这粉饰的墙啊, 神要击打你!你坐堂要按着律法审问我,现在你竟然违背律法吩咐人打我吗?”
3Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
4站在旁边的人民说:“你敢辱骂 神的大祭司吗?”
4Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5保罗说:“弟兄们,我不知道他是大祭司。经上说:‘不可咒诅你人民的领袖。’”
5Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
6保罗看出其中一部分是撒都该人,另一部分是法利赛人,就在公议会中大声说:“我是法利赛人,也是法利赛人的子孙,我现在受审,是为了盼望死人复活!”
6Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7他说了这话,法利赛人和撒都该人就起了争论,会众也分裂了,成为两派。
7Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
8原来撒都该人说没有复活,没有天使,也没有鬼灵,法利赛人却认定这些都有。
8Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9于是众人大嚷大闹,有几个法利赛派的经学家站起来辩论说:“我们看不出这个人作过什么坏事;说不定有灵或天使对他说过话。”
9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
10争论越来越大,千夫长怕保罗被他们撕碎了,就吩咐士兵下去,把他从人群中抢救出来,带到营楼去。
10Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
11当天晚上,主站在保罗身边,说:“你要壮起胆来,你怎样在耶路撒冷作见证,也必照样在罗马为我作见证。”
11Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
12犹太人设计谋害保罗到了天亮,犹太人在一起秘密计谋,并且发誓说,不杀保罗,就不吃不喝。
12[Ny namindrana an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
13一同策划这项阴谋的有四十多人。
13Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
14他们来见众祭司长和长老,说:“我们已经发了誓,不杀保罗,就不吃东西。
14Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
15现在你们和公议会要通知千夫长,带保罗到你们这里来,装作要详细审查他。我们已经预备好了,不等他走近,就把他杀了。”
15Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
16但保罗的外甥听见这项埋伏的诡计,就到营楼去,告诉保罗。
16Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
17保罗请了一个百夫长来,说:“请你带这个青年人去见千夫长,他有事要报告。”
17Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
18百夫长就带保罗的外甥去见千夫长,说:“囚犯保罗请了我去,求我带这个青年人来见你,他有事要向你报告。”
18Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19千夫长拉着他的手,走到一边,私下问他:“你有什么事要向我报告?”
19Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20他说:“犹太人已经约好了,要求你明天把保罗带到公议会里去,装作要详细审查他。
20Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21你不要听他们,因为他们有四十多人正在埋伏起来等着保罗;他们发了誓,不杀保罗,就不吃不喝。现在他们已经准备好了,只等你答应。”
21Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
22千夫长嘱咐那青年人:“不要告诉人你把这事告诉了我。”然后就打发他走了。
22Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
23保罗被交送腓力斯千夫长叫了两个百夫长来,说:“预备两百个步兵,七十个骑兵、两百个长枪手,晚上九点钟往该撒利亚去。
23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
24也要预备好牲口,好让保罗骑上,护送他安全到达腓力斯总督那里。”
24ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
25千夫长写了一封信,大意如下:
25Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
26“革老丢.吕西亚问候总督腓力斯大人。
26Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
27这个人被犹太人捉住,快要遭害的时候,我听说他是罗马公民,就带兵去把他救出来。
27Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
28为要知道犹太人控告他的原因,我就带他到他们的公议会那里去。
28Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;
29我发现他被控告,是为了他们律法上的问题,并没有什么该死该绑的罪名。
29dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
30后来我接到密报,得知害他的阴谋,就立刻把他送到你那里去,并且吩咐原告到你面前来控告他。”
30Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]
31于是士兵照着吩咐,把保罗提出来,连夜带到安提帕底。
31Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.
32第二天,他们把保罗交给骑兵队护送,就回营楼去了。
32Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
33骑兵到了该撒利亚,把信呈上总督,同时把保罗也交给他。
33Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.
34总督读了信,就问保罗是哪一省的人;知道了他是基利家人,
34Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. [ Gr. pretoria]
35就说:“等到原告也来了,我才审问你。”于是吩咐人把他拘留在希律的王府里。
35dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. [ Gr. pretoria]