1保罗上诉凯撒
1[Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
2祭司长和犹太人的首领,到他面前控告保罗。他们为了对付保罗,
2Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
3就要求非斯都恩准,把保罗解来耶路撒冷,他们好埋伏在路上杀死他。
3ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
4非斯都回答:“保罗现今押在该撒利亚,我就要回到那里去。”
4Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
5又说:“你们中间有权势的,和我一同去吧!那人若有什么不是,他们就可以告他。”
5Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6非斯都在他们那里大约逗留了不过十天八天,就回到该撒利亚去。第二天就开庭,吩咐把保罗带来。
6Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
7保罗一到,那些从耶路撒冷来的犹太人,就站在他周围,提出许多严重的控告,可是所控告的他们都不能证实。
7Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
8保罗申辩说:“无论对犹太人的律法、圣殿或凯撒,我都没有罪。”
8fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
9但非斯都为要讨好犹太人,就问保罗:“你愿意去耶路撒冷,让我在那里审问这事吗?”
9Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany?
10保罗说:“我现在站在凯撒的审判台前,这里是我应当受审的地方。我对犹太人并没有作过什么不对的事,这是你清楚知道的。
10Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
11我若作过不对的事,犯过什么该死的罪,就是死我也不推辞。不过,如果这些人告我的事不是真的,谁也不可以把我送给他们。我要向凯撒上诉。”
11Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
12非斯都同议会商量后,答复说:“你既然要向凯撒上诉,可以到凯撒那里去。”
12Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
13亚基帕王要听保罗的案情过了一些日子,亚基帕王和百尼基到该撒利亚来,问候非斯都。
13[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy.
14他们在那里逗留了许多天,非斯都把保罗的案情向王陈明,说:“这里有一个囚犯,是腓力斯留下来的。
14Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
15我在耶路撒冷的时候,祭司长和犹太人的长老控告他,要求把他定罪。
15koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
16我答复他们说,被告还没有和原告当面对证,又没有机会为所控的罪申辩,就被送给对方,罗马人没有这个规例。
16Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy.
17后来他们到了这里,我没有耽延时间,第二天就开庭,吩咐把那人提出来。
17Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
18原告都站在那里,他们所控诉他的,并不是我所意料的恶事。
18Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
19他们与他争辩的,只是他们的宗教问题;还论到一位已经死了的耶稣,保罗却说他是活着的。
19fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.
20关于这些争论,我不知道怎样处理,就问他愿不愿意上耶路撒冷去为这些事在那里受审。
20Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,
21但保罗要求把他留下,等待皇上裁判,我就下令把他押起来,等候解往凯撒那里。”
21Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
22亚基帕对非斯都说:“我也愿意听听这人说些什么。”非斯都说:“明天就请你来听。”
22Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.
23第二天,亚基帕和百尼基威风凛凛地来了,同千夫长和城中的显要进了厅堂。非斯都吩咐一声,就有人把保罗提出来。
23Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.
24非斯都说:“亚基帕王和在座的各位,请看这个人。耶路撒冷和本地的犹太人都向我请求,嚷着说这个人不该活着。
24Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
25我查明他没有犯什么该死的罪,但是他自己既然要向皇上上诉,我就决定把他解去。
25Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
26关于这个人,我没有什么可以呈奏主上的。所以把他带到你们面前,特别是你亚基帕王面前,为要在审查之后,有所陈奏。
26Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
27因为我认为解送囚犯,不指明他的罪状,是不合理的。”
27Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.