1保罗启程往罗马
1[Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2有一艘亚大米田来的船,要开往亚西亚沿岸一带的地方,我们上去,船就开了。跟我们在一起的,还有马其顿的帖撒罗尼迦人亚里达古。
2Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
3第二天到了西顿,犹流宽待保罗,准他去看看朋友,接受他们的招待。
3Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4我们又从那里开船,因为逆风,就沿着塞浦路斯背风而行。
4Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
5渡过基利家和旁非利亚对开的海面,就到了吕家的每拉。
5Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6百夫长在那里找到一艘亚历山太来的船,要开往意大利去,就叫我们上了那船。
6Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
7一连几天,船都走得很慢,好不容易才到了革尼土的对面。因为有风阻挡着我们,就沿着克里特背风而行,从撒摩尼对面经过,
7Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
8沿着海岸行驶,航程很艰难,后来才到了靠近拉西亚城一个名叫美港的地方。
8ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
9过了相当的时候,连禁食节也过去了,所以航行很危险,保罗就劝告他们,说:
9Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly [ Ny Andro Fanavotana izany]
10“各位,我看这次航行,不单货物和船只要遭到损失,大受破坏,连我们的性命也难保。”
10ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
11但百夫长宁愿相信船长和船主的话,却不相信保罗所说的。
11Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
12而且这港口不适宜过冬,所以大多数人主张离开那里,也许可以到非尼基去过冬。非尼基是克里特的一个港口,一面向西南,一面向西北。
12Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana. [Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
13船在海上遇暴风这时南风徐徐地吹来,他们以为风势有利,就起锚沿着克里特航行。
13Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
14可是过了不久,有一股名叫“友拉革罗”(“友拉革罗”意即“东北风”)的飓风,向岛上吹袭。
14Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
15船给风困住了,不能迎风前行,只好随着风向飘流。
15Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
16有一个小岛名叫高达,我们就在这岛的背风岸急航,好不容易才把救生艇拉住。
16Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [ Na: (Klaoda)]
17水手把艇拉上来,用缆索绕过船身捆好。他们怕船在赛耳底搁浅,就收下船帆,任船飘流。
17ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [ Gr. Syrtisy]
18风浪把我们颠簸得很厉害,第二天他们就把货物拋在海里,
18Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
19第三天又亲手把船上的用具扔掉。
19ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
20好几天,都看不见星星和太阳,狂风大浪催逼着我们,这样看来,我们连生还的希望都没有了。
20fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21大家很久没有吃饭了,保罗就站在他们中间,说:“各位,你们本来应该听我的话不离开克里特,就不会遭受这场损失和破坏了。
21Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22现在我劝你们放心。除了这艘船以外,你们没有一个人会丧命的。
22Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
23因为我所归属所事奉的 神,他的使者昨天夜里站在我的旁边,说:
23Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
24‘保罗,不要怕。你必定可以站在凯撒面前; 神已经把那些和你同船的人赐给你了。’
24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25所以,各位请放心。我相信 神对我怎样说,也必怎样成就。
25Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
26不过我们必会搁浅在一个海岛上。”
26Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
27到了第十四天的晚上,我们在亚得里亚海飘来飘去。约在半夜的时候,水手以为接近了陆地,
27Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
28就探测一下,深三十六公尺;稍往前行,再探测一下,深二十七公尺。
28dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
29他们怕我们会在乱石上搁浅,就从船尾拋下四个锚,期待着天亮。
29Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
30水手们想要离船逃走,就把救生艇放在海上,假装要从船头拋锚的样子。
30Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
31保罗对百夫长和士兵说:“这些人若不留在船上,你们就性命难保!”
31dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
32于是士兵砍断救生艇的绳子,任它掉下去。
32Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33天快亮的时候,保罗劝大家吃饭,说:“你们一直不吃东西,挨饿苦候,到今天已经十四天了!
33Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34所以,我劝你们吃点饭,这可以维持你们的性命!因为你们没有人会失掉一根头发。”
34Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
35保罗说了这话,就拿起饼来,在众人面前感谢 神,然后擘开来吃。
35Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
36于是大家都安心吃饭了。
36Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
37我们在船上的共有二百七十六人,
37Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
38大家吃饱了,把麦子拋在海里,好减轻船的负荷。
38Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo. [Na: ny vary tritika]
39船只搁浅、众人脱险天亮的时候,他们不认得那个地方,只看见一个可以登岸的海湾,就有意尽可能把船拢岸。
39Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40于是把锚砍掉,丢在海里,同时又松开舵绳,拉起前帆,顺风向岸驶去。
40Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
41但在海水夹流的地方,船就搁了浅,船头胶着不动,船尾被海浪冲击,就损坏了。
41Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
42士兵想把囚犯都杀掉,免得有人游泳逃脱。
42Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43但百夫长想要救保罗,就阻止他们这样行。他吩咐会游泳的跳下水去,先到岸上,
43Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
44其余的人可以用木板,或船上的器具上岸。这样,大家都安全地上岸了。
44ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.