聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Habakkuk

2

1耶和华的回答
1[Ny nilazan'i Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.
2耶和华回答我说:“把异象写下,记在泥版上,使读的人容易明白,
2Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza.[Na: mba hihazakazahan'izy mamaky azy]
3因这异象关乎一定的日期,很快就要实现,决不徒然;纵有迟延,仍当等候,因为它一定会来到,绝不耽误。”
3Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
4迦勒底人自高自大,心不正直;然而义人必因信得生(“必因信得生”或译:“必因他的信实得生”)。
4Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany.[Na: fa ny marina amin'ny finoana no ho velona]
5财富(传统作“酒”,今照死海古卷译作“财富”)使人奸诈狂傲,不得安宁;扩张欲望,如同阴间;又像死亡,永不满足。他们招聚万国,集合万民,都归自己。
5Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..[Heb. Shoela]
6第一祸这些国民岂不都用譬喻、讽刺、暗语指着他们说:“那些滥得他人财物的,满载别人抵押品的,有祸了!他们这样要到几时呢?”
6Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka[Heb. fampanonona]
7你的债主(“你的债主”或译:“咬你的”)岂不忽然起来?扰乱你的岂不醒起?你就成了他们的掳物。
7Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?
8因你抢掠多国,杀人流血,向全地各城施行暴力,所以剩下的人也必抢掠你。
8Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
9第二祸你这为自己的家积聚不义之财,在高处搭窝,以逃避灾害的,有祸了!
9Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza
10你剪除多国的民,反害了自己;你所谋算的,使你的家蒙羞。
10Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.
11石头必从墙里呼叫,梁木必在树中应声。
11Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano no hamaly azy.[Heb. hazo]
12第三祸你这用人血做城,凭邪恶立镇的,有祸了!
12Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!
13众民劳碌得来的,被火焚烧;列国辛劳而得的,终归无有。这不都出于万军之耶和华吗?
13Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?
14认识耶和华之荣耀的知识,必充满全地,好像众水遮盖海洋一样。
14Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
15第四祸你这请邻舍喝酒,却把毒物混入,使他醉倒,为要见他赤裸的,有祸了!
15Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
16你满有羞辱,没有尊荣,你也喝到露出下体来吧!耶和华右手的杯必传回来给你,使极大的羞辱取代你的尊荣。
16Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao]
17因你向黎巴嫩使用暴力,杀灭惊吓野兽;又杀人流血,向全地各城居民施行暴力,就必受到报应(“报应”原文作“遮盖”)。
17Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
18第五祸雕刻的像有什么用处呢?不过是匠人雕刻出来的;铸造的像、虚假的教师,有什么用处呢?匠人竟倚靠自己所做,那不能说话的假神。
18Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?
19你这对木头说“起来”,对哑石说“醒吧”的人,有祸了!它怎能教导你呢?看哪!它包金镶银,里面却全无气息。
19Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!
20然而耶和华在他的圣殿里,全地当在他面前肃静。
20Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!