聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

John

11

1拉撒路死了
1Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
2这马利亚就是后来用香膏抹主,并且用头发把主的脚擦干的那人;患病的拉撒路是她的兄弟。
2Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
3姊妹二人派人到耶稣那里去,说:“主啊,你所爱的人病了。”
3Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
4耶稣听见,就说:“这病不至于死,而是为了 神的荣耀,使 神的儿子因此得到荣耀。”
4Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.
5耶稣向来爱马大和她的妹妹马利亚,以及拉撒路。
5Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
6他听说拉撒路病了,仍然在原来的地方住了两天,
6Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.
7然后对门徒说:“我们再到犹太去吧。”
7Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8门徒对他说:“拉比,近来犹太人要拿石头打你,你还到那里去吗?”
8Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
9耶稣说:“白昼不是有十二小时吗?人若在白昼行走,就不会跌倒,因为他看见这世上的光;
9Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
10人若在夜间行走,就会跌倒,因为他没有光。”
10Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
11耶稣说完了这些话,跟着又对他们说:“我们的朋友拉撒路睡了,我要去唤醒他。”
11Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12门徒说:“主啊,如果他睡了,就会好过来的。”
12Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. [Gr. hovonjena]
13其实耶稣是指着拉撒路的死说的,门徒却以为他是指正常的睡眠说的。
13Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
14于是,耶稣公开地告诉他们:“拉撒路死了。
14Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
15我为你们欢喜,因为我不在那里,是要使你们相信。现在我们到他那里去吧。”
15ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16那称为“双生子”的多马,对其他的门徒说:“我们也去跟他一同死吧!”
16Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
17耶稣是复活是生命耶稣到了,知道拉撒路在坟墓里已经四天了。
17Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
18伯大尼靠近耶路撒冷,相距约有三公里。
18Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio no elanelany. [Na: telo kilometatra]
19有许多犹太人来到马大和马利亚那里,为了拉撒路的死来安慰她们。
19Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.
20马大听见耶稣来了,就去迎接他,马利亚却仍然坐在家里。
20Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
21马大对耶稣说:“主啊,如果你早在这里,我的兄弟就不会死了!
21Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
22就是现在,我也知道无论你向 神求什么, 神必赐给你。”
22Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
23耶稣对她说:“你的兄弟必会复活。”
23Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24马大说:“我知道在末日复活的时候,他必会复活。”
24Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;
25耶稣说:“我就是复活和生命;信我的人,虽然死了,也要活着。
25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
26所有活着又信我的人,必定永远不死,你信这话吗?”
26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27她说:“主啊,我信;我已经信了,你是基督,是 神的儿子,是那要到世上来的。”
27Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
28耶稣使拉撒路复活马大说了这些话,就回去暗暗地叫她妹妹马利亚,说:“老师来了,他叫你。”
28Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29马利亚一听见,就急忙起来,到耶稣那里去。
29Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
30那时,耶稣还没有进入村子,仍然在马大迎接他的地方。
30Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
31那些在房子和马利亚在一起安慰她的犹太人,见她匆忙地起来出去,就跟着她,以为她要到坟墓那里去哭。
31Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
32马利亚来到耶稣那里,一看见他,就俯伏在他脚前,说:“主啊,如果你早在这里,我的兄弟就不会死了!”
32Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
33耶稣看见她在哭,和她一同来的犹太人也在哭,就心里激动,难过起来,
33Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
34说:“你们把他安放在哪里?”他们说:“主啊,请来看。”
34ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35耶稣哭了。
35Jesosy nitomany.
36于是犹太人说:“你看,他多么爱这个人!”
36Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
37他们中间有人说:“他既然开了瞎子的眼睛,难道不能使这个人不死吗?”
37Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
38耶稣又再心里激动,来到坟墓前面。那坟墓是一个洞穴,洞口有块石头堵住。
38Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
39耶稣说:“把这块石头挪开!”死者的姊姊马大对他说:“主啊,已经四天了,他必定臭了。”
39Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40耶稣说:“我不是对你说过‘如果你信,就必定看见 神的荣耀’吗?”
40Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
41于是他们把石头挪开。耶稣举目向天,说:“父啊,我感谢你,因为你垂听了我,
41Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
42我知道你常常听我,但我说这话,是为了周围站着的群众,叫他们信是你差了我来。”
42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
43说了这话,就大声呼喊:“拉撒路,出来!”
43Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
44那死了的人就出来,他的手脚都缠着布,脸上裹着巾。耶稣说:“解开他,让他走!”
44Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
45祭司长等想杀害耶稣有许多到马利亚那里去的犹太人,看见了耶稣所作的事,就信了他。
45Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
46但他们中间有些人到法利赛人那里去,把耶稣所作的事都告诉他们。
46Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
47于是祭司长和法利赛人召开公议会,说:“这个人行了许多神迹,我们怎么办呢?
47Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
48我们若让他这样,所有的人都会信他,罗马人就会来,夺取我们的圣地,除灭我们的民族。”
48Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
49他们当中有一位该亚法,是那年作大祭司的,对他们说:“你们什么都不知道,
49Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
50也不去想想,一个人代替人民死,免得整个民族灭亡,这对你们是有益的。”
50na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
51他说这话不是由于自己,而是因为他是那年的大祭司,所以预言耶稣要替犹太民族死;
51Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
52不但替犹太民族死,也要把散居各地的 神的儿女招聚成为一体。
52ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
53从那天起,他们就想杀害耶稣。
53Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
54因此,耶稣不再在犹太人中间公开活动,却离开那里,到旷野附近的地方去;到了一座名叫以法莲的城,就和门徒住在那里。
54Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.
55犹太人的逾越节快到了,有许多人在过节前从各乡上耶路撒冷去,要在那里洁净自己。
55Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
56他们到处找寻耶稣,站在圣殿里的时候,彼此说:“你们认为怎样?他不会来过节吧?”
56Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
57祭司长和法利赛人早已下了命令:如果有人知道耶稣在哪里,就要前来报告,好去逮捕他。
57Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.