1耶稣为门徒洗脚
1Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
2吃晚饭的时候(魔鬼已经把出卖耶稣的意念放在西门的儿子加略人犹大的心里),
2Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3耶稣知道父已经把万有交在他手中,并且知道自己从 神而来,又要回到 神那里去,
3sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
4就起身离席,脱去外衣,拿一条手巾束腰。
4dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
5然后他倒了一盆水,洗门徒的脚,并且用束腰的手巾擦干。
5ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
6轮到西门.彼得,彼得就说:“主啊,你要洗我的脚吗?”
6Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
7耶稣回答:“我所作的,你现在不知道,以后就会明白。”
7Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
8彼得说:“不行,你千万不可洗我的脚!”耶稣说:“如果我不洗你的脚,你就与我没有关系了。”
8Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
9西门.彼得说:“主啊,那就不单洗我的脚,连我的手和头都洗吧!”
9Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
10耶稣说:“洗过澡的人,全身都洁净,只需要洗脚就可以了。你们是洁净的,但不是人人都是这样。”
10Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11原来耶稣知道谁要出卖他,所以他说“你们不是人人都是洁净的”。
11Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12耶稣洗完了门徒的脚,就穿上外衣,再坐下来,对他们说:“我给你们作的,你们明白吗?
12Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13你们称呼我‘老师,主’,你们说得对,我本来就是。
13Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
14我是主,是老师,尚且洗你们的脚,你们也应当彼此洗脚。
14Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
15我作了你们的榜样,是要你们也照着我所作的去行。
15Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16我实实在在告诉你们,仆人不能大过主人,奉差遣的也不能大过差他的人。
16Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
17你们既然知道这些事,如果去实行,就有福了。
17Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
18我这话不是指着你们全体说的;我认识我所拣选的人,但是经上的话:‘那吃我饭的,用他的脚踢我’,必须应验。
18Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [Na: miara-komana amiko]
19现在,事情还没有发生,我就告诉你们,使你们到时可以信我就是‘那一位’。
19Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20我实实在在告诉你们,那接待我所差遣的,就是接待我;接待我的,就是接待那差我来的。”
20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
21耶稣预言要被人出卖(太26:20-25;可14:17-21;路22:21-23)耶稣说了这话,心里很难过,就明明地说:“我实实在在告诉你们,你们中间有一个人要出卖我。”
21Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
22门徒面面相觑,不知道他是指着谁说的。
22Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23门徒中有一个人,是耶稣所爱的,他坐在耶稣旁边。
23Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
24西门.彼得向他示意,叫他问耶稣是指着谁说的。
24Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
25于是那个门徒贴近耶稣的胸怀,问他:“主啊,是谁呢?”
25Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26耶稣回答:“我蘸一小块饼给谁,谁就是了。”于是他蘸了一小块饼,递给加略人西门的儿子犹大。
26Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.
27犹大接过饼以后,撒但就进入他的心。耶稣对他说:“你要作的,快去作吧。”
27Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
28在座的人,没有一个知道耶稣为什么对犹大说这话。
28Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.
29犹大是管钱的,所以有人以为耶稣叫他去买过节用的东西,或是吩咐他拿点东西去赒济穷人。
29Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
30犹大吃了饼,立刻就出去;那时是黑夜了。
30Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
31吩咐门徒要彼此相爱他出去以后,耶稣就说:“现在人子得了荣耀, 神也在人子身上得了荣耀,
31Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
32( 神既然在人子身上得了荣耀,)(有些抄本无此句)也要在自己身上荣耀人子,并且要立刻荣耀他。
32Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
33孩子们啊,我跟你们在一起的时候不多了。你们要寻找我,但是我对犹太人说过,现在也照样对你们说:‘我去的地方,是你们不能去的。’
33Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34我给你们一条新命令,就是要你们彼此相爱;我怎样爱你们,你们也要怎样彼此相爱。
34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
35如果你们彼此相爱,众人就会认出你们是我的门徒了。”
35Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
36预言彼得不认主(太26:33-35;可14:29-31;路22:33-34)西门.彼得对耶稣说:“主啊,你往哪里去?”耶稣回答:“我去的地方,你现在不能跟着我去,但后来却要跟着我去。”
36Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37彼得说:“主啊,为什么我现在不能跟着你去?为了你,我舍命也愿意!”
37Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
38耶稣说:“你愿意为我舍命吗?我实实在在告诉你,鸡叫之前,你必定三次不认我。”
38Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.