1耶稣被捕(太26:47-56;可14:43-50;路22:47-53)
1Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany.
2出卖耶稣的犹大也知道那地方,因为耶稣和门徒常常在那里聚集。
2Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany.
3那时,犹大带着一队兵,还有祭司长和法利赛人的差役,拿着灯笼、火把、武器,来到园子里。
3Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4耶稣知道快要临到他身上的一切事,就出来对他们说:“你们找谁?”
4Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5他们回答:“拿撒勒人耶稣!”耶稣说:“我就是。”出卖耶稣的犹大和他们站在那里。
5Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
6耶稣一说“我就是”,他们就往后退,倒在地上。
6Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany.
7他再问他们:“你们找谁?”他们说:“拿撒勒人耶稣!”
7Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8耶稣回答:“我已经告诉你们,我就是了。如果你们来找我,就让这些人走吧。”
8Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9这应验了耶稣说过的话:“你赐给我的人,我一个也没有失落。”
9mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10西门.彼得带着一把刀,就拔出来,向大祭司的仆人马勒古砍去,削掉他的右耳。
10Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
11耶稣对彼得说:“把刀收入鞘里去!父给我的杯,我怎能不喝呢?”
11Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12大祭司审问耶稣(太26:57)于是那一队兵和千夫长,以及犹太人的差役拿住耶稣,把他绑起来,
12Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,
13先带到亚那面前。亚那是当年的大祭司该亚法的岳父。
13dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
14该亚法就是从前向犹太人提议说“一个人代替人民死,这是有益的”那个人。
14Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
15彼得首次不认主(太26:69-70;可14:66-68;路22:55-57)西门.彼得和另一个门徒跟着耶稣;那门徒是大祭司认识的。他跟耶稣一起进了大祭司的院子,
15Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.
16彼得却站在门外。大祭司所认识的那门徒出来,对看门的婢女说了一声,就带了彼得进去。
16Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
17那看门的婢女对彼得说:“你不也是这个人的门徒吗?”他说:“我不是。”
17Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18因为天气寒冷,仆人和差役就生了炭火,站着取暖;彼得也和他们站在一起取暖。
18Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19公议会审问耶稣(太26:59-68;可14:55-65;路22:63-71)那时,大祭司查问耶稣有关他的门徒和他的教训的事。
19Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
20耶稣对大祭司说:“我向来对世人讲话都是公开的,我常常在会堂和圣殿里,就是在所有犹太人聚集的地方教导人,暗地里我并没有讲什么。
20Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
21你为什么查问我呢?问问那些听过我讲话的人吧,他们知道我讲过什么。”
21koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22耶稣说了这些话,站在旁边的一个差役,就打他一巴掌,说:“你竟敢这样回答大祭司吗?”
22Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? [Na: tehina]
23耶稣对他说:“如果我讲错了,你可以指证错在哪里;如果我讲对了,你为什么打我呢?”
23Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24亚那仍然绑着耶稣,把他押到大祭司该亚法那里去。
24Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25彼得再三不认主(太26:71-75;可14:69-72;路22:58-62)西门.彼得仍然站在火旁取暖。有人对他说:“你不也是他的门徒吗?”彼得否认说:“我不是。”
25Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
26有一个大祭司的仆人,就是彼得削掉耳朵的那个人的亲戚,说:“我不是看见你跟他在园子里吗?”
26Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
27彼得又否认,立刻鸡就叫了。
27Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
28耶稣被押交彼拉多(太27:11-18;可15:2-5;路23:2-3)清早的时候,犹太人把耶稣从该亚法那里押往总督的官邸。他们自己没有进到官邸里去,恐怕沾染了污秽,不能吃逾越节的晚餐。
28Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. [Gr. pretoria]
29于是彼拉多走到外面见他们,说:“你们控告这个人什么呢?”
29Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30他们回答:“如果这个人没有作恶,我们就不会把他交给你。”
30Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31彼拉多对他们说:“你们自己把他带去,按着你们的律法审问他吧。”犹太人说:“我们没有权去判人死罪。”
31Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32这就应验了耶稣预先说到自己将要怎样死的那句话。
32mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33彼拉多又进了官邸,把耶稣叫来,问他说:“你是犹太人的王吗?”
33Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? [Gr. pretoria]
34耶稣回答:“这话是你自己说的,还是别人对你说到我的呢?”
34Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35彼拉多说:“难道我是犹太人吗?你本国的人和祭司长把你交给我,你究竟作了什么事?”
35Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36耶稣回答:“我的国不属于这世界;如果我的国属于这世界,我的臣仆就要作战,使我不至被交给犹太人。不过,我的国不是这世上的。”
36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
37于是彼拉多问他:“那么,你是王吗?”耶稣说:“我是王,这是你说的。我要为真理作见证,我为此而生,也为此来到世上。凡是属于真理的人,都听我的声音。”
37Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
38彼拉多问他:“真理是什么?”彼拉多说了这话,又出来见犹太人,对他们说:“我查不出他有什么罪。
38Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
39彼拉多判耶稣钉十字架(太27:20-23、27-31;可15:6-11、16-20;路23:4、13-19)“你们有个惯例,每逢逾越节,要我给你们释放一个囚犯。你们愿意我给你们释放这个犹太人的王吗?”
39Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
40他们又喊叫说:“不要他!要巴拉巴!”这巴拉巴是个强盗。
40Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.