1不义的管家
1Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.
2主人把他叫来,对他说:‘我听见关于你的是怎么一回事呢?把你管理的帐目交代清楚,因为你不能再作管家了。’
2Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
3那管家心里说:‘主人不要我再作管家了,我作什么才好呢?锄地吧,没有力气!讨饭吧,怕羞!
3Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
4我知道要怎么作了,好使人在我离开管家的职务以后,接我到他们家里去。’
4Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.
5于是把欠他主人债的人,一个一个地叫来,问头一个说:‘你欠我主人多少?’
5Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?
6他说:‘四千公升油。’管家说:‘拿你的欠单去,快坐下写二千。’
6Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [Gr. bata]
7又问一个说:‘你欠多少?’他说:‘四万公升麦子。’管家说:‘拿你的欠单去,写三万。’
7Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[Gr. kora]
8主人就夸奖这不义的管家作事机警;因为在应付自己的世事上,今世之子比光明之子更精明。
8Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
9我告诉你们,要用不义的钱财去结交朋友,好叫钱财无用的时候,他们可以接你们到永恒的帐棚里。
9Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
10在最小的事上忠心的,在大事上也忠心;在最小的事上不义的,在大事上也不义。
10Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.
11如果你们在不义的钱财上不忠心,谁还把真实的钱财托付给你们呢?
11Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?
12如果你们在别人的东西上不忠心,谁还把你们自己的东西交给你们呢?
12Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
13不能服事两个主人(太5:31-32,11:12-13;可10:11-12)“一个家仆不能服事两个主人;他若不是恨这个爱那个,就是忠于这个轻视那个。你们不能服事 神,又服事金钱。”
13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14贪财的法利赛人听见这些话,就嗤笑耶稣。
14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.
15耶稣对他们说:“你们在人面前自称为义, 神却知道你们的心;因为人所高举的, 神却看作是可憎恶的。
15Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
16律法和先知到约翰就结束了。从此, 神的国的福音就传开了,人人都要努力进去。
16Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
17天地过去,要比律法的一点一画失效还容易呢。
17Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.
18凡休妻另娶的,就犯了奸淫;娶被丈夫所休的,也是犯了奸淫。
18Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
19财主与拉撒路“有一个财主,身穿紫色袍和细麻衣,天天奢华宴乐。
19Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.
20又有一个乞丐,名叫拉撒路,满身是疮,被人放在财主门口,
20Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21想得财主桌子上掉下来的零碎充饥;并且有狗来舔他的疮。
21ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.[Na: ary ny alika koa dia avy]
22后来乞丐死了,被天使送到亚伯拉罕的怀里。那财主也死了,并且埋葬了。
22Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23财主在阴间受痛苦,举目远远望见亚伯拉罕,和他怀里的拉撒路,
23ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[Gr. Hadesy]
24就喊着说:‘我祖亚伯拉罕啊,可怜我吧!打发拉撒路来用指头蘸点水,凉凉我的舌头吧!因为我在这火焰里非常痛苦。’
24Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
25亚伯拉罕说:‘孩子,你应该回想你生前享过福,同样拉撒路受过苦,现在他在这里得安慰,你却要受苦了。
25Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.
26不但这样,我们与你们之间,有深渊隔开,人想从这边过到你们那里是不可能的,从那边过到我们这边也是不可能的。’
26Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
27那人说:‘我祖啊,那么求你差遣拉撒路到我家里去,
27Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
28因为我有五个兄弟,他可以警告他们,免得他们也到这受苦的地方来。’
28(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.
29亚伯拉罕说:‘他们有摩西和先知可以听从。’
29Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30他说:‘不然,我祖亚伯拉罕啊,如果有人从死人中复活,到他们那里去,他们必定会悔改。’
30Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
31亚伯拉罕说:‘如果他们不听从摩西和先知,就算有一个从死人中复活的人,他们也不会接受劝告。’”
31Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.