1寡妇与法官的比喻
1Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
2他说:“某城里有一个法官,不惧怕 神,也不尊敬人。
2dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
3那城里有一个寡妇,常常来到他那里,说:‘求你给我伸冤,使我脱离我的对头!’
3Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
4他多次不肯,后来心里说:‘我虽然不惧怕 神,也不尊敬人,
4Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5只是因为这寡妇常常来麻烦我,就给她伸冤吧,免得她不断地来缠扰我。’”
5mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6主说:“你们听听这不义的法官所说的话吧。
6Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
7难道 神不会为昼夜呼吁他的选民伸冤吗?难道 神会耽误他们吗?
7Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8我告诉你们,他要快快地给他们伸冤。然而人子来的时候,在世上找得到这种信心吗?”
8Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
9税吏和法利赛人的祷告耶稣向那些自恃为义、轻视别人的人,讲了这个比喻:
9Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
10“有两个人上圣殿去祈祷,一个是法利赛人,一个是税吏。
10Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11法利赛人站着,祷告给自己听,这样说:‘ 神啊,我感谢你,我不像别人,勒索、不义、奸淫,也不像这个税吏。
11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12我一个礼拜禁食两次,我的一切收入都奉献十分之一。’
12Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
13税吏却远远站着,连举目望天也不敢,只捶着胸说:‘ 神啊,可怜我这个罪人!’
13Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14我告诉你们,这个人回去,比那个倒算为义了。因为高抬自己的,必要降卑;自己谦卑的,必要升高。”
14Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15让小孩子到我这里来(太19:13-15;可10:13-16)有人抱着婴孩到耶稣面前,要他抚摩他们。门徒看见了,就责备那些人。
15Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16耶稣却叫他们过来,说:“让小孩子到我这里来,不要禁止他们,因为 神的国正属于这样的人。
16Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
17我实在告诉你们,凡不像小孩子一样接受 神的国的,决不能进去。”
17Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
18有钱的人难进 神的国(太19:16-29;可10:17-30)有一个官长问耶稣:“良善的老师,我当作什么,才可以承受永生?”
18Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
19耶稣对他说:“你为什么称我是良善的呢?除了 神一位以外,没有良善的。
19Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20诫命你是知道的:不可奸淫,不可杀人,不可偷盗,不可作假证供,当孝敬父母。”
20Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
21他说:“这一切我从小都遵守了。”
21Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22耶稣听了,就告诉他:“你还缺少一件,应当变卖你一切所有的,分给穷人,你就必定有财宝在天上,而且你还要来跟从我。”
22Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23他听见这话,非常忧愁,因为他十分富有。
23Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24耶稣见他这样,就说:“富有的人要进 神的国,是多么难哪!
24Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25骆驼穿过针眼,比有钱的人进 神的国还容易呢。”
25Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
26听见的人说:“这样,谁可以得救呢?”
26Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27耶稣说:“人所不能的,在 神却是可能的。”
27Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
28彼得说:“你看,我们已舍弃自己所有的,跟从你了!”
28Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29耶稣说:“我实在告诉你们,人为 神的国撇下房屋、妻子、弟兄、父母或儿女,
29Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
30没有不在今世得许多倍,来世得永生的。”
30izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31第三次预言受难及复活(太20:17-19;可10:32-34)耶稣把十二门徒带到一边,对他们说:“我们现在上耶路撒冷去,先知所写的一切,都要成就在人子身上。
31Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
32他要被交给外族人,受戏弄,被凌辱,他们要向他吐唾沫,
32Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33鞭打他,杀害他;第三日他要复活。”
33ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34这些话的含义对门徒是隐藏的。他们听了,一点也不明白,不知道他说的是什么。
34Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35治好瞎眼的人(太20:29-34;可10:46-52)耶稣走近耶利哥的时候,有一个瞎眼的人坐在路旁讨饭,
35Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36他听见人群经过,就问是什么事。
36Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37别人告诉他,是拿撒勒人耶稣经过。
37Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38他就喊叫说:“大卫的子孙耶稣啊,可怜我吧!”
38Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39在前头走的人责备他,叫他不要出声;但他越发喊叫:“大卫的子孙,可怜我吧!”
39Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40耶稣站住,吩咐领他过来。等他走近,就问他:
40Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41“你要我为你作什么?”他说:“主啊,叫我能看见!”
41ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42耶稣说:“你就看见吧!你的信使你痊愈了。”
42Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
43他立刻看见了,就跟随耶稣,颂赞 神。众人看见这事,也赞美 神。
43Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.