聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Malachi

3

1立约的使者快临
1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]
2可是,他来的日子,谁能当得起呢?他显现的时候,谁能站立得住呢?因为他像炼金之人的火,又像漂布之人的碱。
2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
3他必坐着,像熬炼和洁净银子的人;他必洁净利未人,炼净他们像炼净金银一样。这样,他们就会凭公义献礼物给耶和华。
3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
4那时,犹大和耶路撒冷所献的礼物,必蒙耶和华悦纳,正如古时的日子,也像往昔之年一样。
4Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
5万军之耶和华说:“我必临近你们施行审判;我要快快指证那些行邪术的、犯奸淫的、起假誓的、在工钱上欺压雇工的、欺压孤儿寡妇的、屈枉寄居的和不敬畏我的。”
5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
6万军之耶和华说:“因为我耶和华是不改变的,所以你们雅各的子孙也不会灭没。
6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
7当纳十分之一“从你们列祖的日子以来,你们就偏离了我的律例而不遵守。现在你们要转向我,我就必转向你们。你们还问:‘我们要怎样回转呢?’
7Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
8人怎可抢夺 神之物呢?你们却抢夺属我之物,竟还问:‘我们抢夺了你的什么呢?’就是抢夺了当纳的十分之一和当献的祭物。
8Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. [Heb. fanatitra asandratra]
9你们要受严厉的咒诅,因你们全国的人都抢夺了属我之物。”
9Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
10万军之耶和华说:“你们要把当纳的十分之一,全部送入仓库,使我家中有粮;借此试验我,看我是不是为你们敞开天窗,把福气倒给你们,直到充足有余呢。”
10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11万军之耶和华说:“我必为你们斥责那吞吃者,不容他毁坏你们地上的果实,也不让你们田间的葡萄在未熟以先就掉下来。”
11Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany]
12万军之耶和华说:“万国都要称你们为有福,因为你们的地必成为喜乐之地。”
12Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
13指摘以色列狂傲自大耶和华说:“你们用无礼的话顶撞我。你们还问:‘我们用什么话顶撞了你呢?’
13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
14你们说:‘事奉 神是白费的;遵守他的吩咐,在万军之耶和华面前哀痛而行,有什么益处呢?
14Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: nijoretra]
15现在我们称骄傲的人为有福,作恶的人得建立;他们虽然试探 神,却得以逃脱。’”
15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
16敬畏耶和华的必蒙怜恤那时,敬畏耶和华的人彼此谈论,耶和华也留意细听;在他面前有记录册,记录那些敬畏耶和华和思念他名的人。
16Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
17万军之耶和华说:“在我施行作为的日子,他们要属我,作特别的产业;我必怜恤他们,好像人怜恤那服事自己的儿子一样。
17Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
18那时,你们就要再看出义人与恶人、事奉 神的人和不事奉他的人之间有什么分别。”
18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
20Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany]
21ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
22Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
23Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana. [Heb. herema]
24ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana. [Heb. herema]