1耶稣基督的家谱(路3:23-38。参得4:18-22;代上3:10-17)大卫的子孙,亚伯拉罕的后裔,耶稣基督的家谱:
1[Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.
2亚伯拉罕生以撒,以撒生雅各,雅各生犹大和他的兄弟,
2Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;
3他玛给犹大生了法勒斯和谢拉,法勒斯生希斯仑,希斯仑生亚兰,
3ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
4亚兰生亚米拿达,亚米拿达生拿顺,拿顺生撒门,
4ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [Gr. Arama]
5喇合给撒门生了波阿斯,路得给波阿斯生了俄备得,俄备得生耶西,
5ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;
6耶西生大卫王。乌利亚的妻子给大卫生了所罗门,
6ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;
7所罗门生罗波安,罗波安生亚比雅,亚比雅生亚撒,
7ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa; [Gr. Asafa]
8亚撒生约沙法,约沙法生约兰,约兰生乌西雅,
8ary Asa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [Gr. Asafa]
9乌西雅生约坦,约坦生亚哈斯,亚哈斯生希西家,
9ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;
10希西家生玛拿西,玛拿西生亚们,亚们生约西亚,
10ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona; ary Amona niteraka an'i Josia; [Gr. Amosa]
11犹太人被掳到巴比伦的时候,约西亚生耶哥尼雅和他的兄弟。
11ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.
12被掳到巴比伦以后,耶哥尼雅生撒拉铁,撒拉铁生所罗巴伯,
12Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela; [Gr. Salatiela]
13所罗巴伯生亚比玉,亚比玉生以利亚敬,以利亚敬生亚所,
13ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;
14亚所生撒督,撒督生亚金,亚金生以律,
14ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;
15以律生以利亚撒,以利亚撒生马但,马但生雅各,
15ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16雅各生约瑟,就是马利亚的丈夫;那称为基督的耶稣,是马利亚所生的。
16ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17这样,从亚伯拉罕到大卫,一共是十四代;从大卫到被掳到巴比伦的时候,也是十四代;从被掳到巴比伦的时候到基督,又是十四代。
17Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.
18耶稣基督的降生(路2:1-7)耶稣基督的降生是这样的:耶稣的母亲马利亚许配了约瑟,他们还没有成亲,马利亚就从圣灵怀了孕。
18Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
19她丈夫约瑟是个义人,不愿张扬使她受辱,就打算暗中与她解除婚约。
19Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20他一直想着这些事,主的使者就在梦中向他显现,说:“大卫的子孙约瑟,只管放胆把你的妻子马利亚迎娶过来,因为她怀的孕是从圣灵来的。
20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
21她必生一个儿子,你要给他起名叫耶稣,因为他要把自己的子民从罪恶中拯救出来。”
21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]
22这整件事的发生,是要应验主借着先知所说的:
22Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: [Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny]
23“必有童女怀孕生子,他的名要叫以马内利。”以马内利就是“ 神与我们同在”的意思。
23Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24约瑟睡醒了,就照着主的使者所吩咐的,把妻子迎娶过来;
24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
25只是在孩子出生以前,并没有与她同房。约瑟给孩子起名叫耶稣。
25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.