聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

15

1不可因传统废弃 神的诫命(可7:1-23)
1Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
2“你的门徒为什么违背古人的传统,在饭前不洗手呢?”
2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
3耶稣回答:“你们又为什么因你们的传统,违背 神的诫命呢?
3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
4 神说:‘当孝敬父母’,又说:‘咒骂父母的必被处死’。
4Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
5你们却说:‘人若对父母说:“我应该给你们的,已经作了献给 神的礼物”,
5Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
6他就可以不孝敬父母了。’你们因为你们的传统,就废弃了 神的话。
6Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
7伪君子啊,以赛亚指着你们说的预言说得好:
7Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
8‘这人民用嘴唇尊敬我,心却远离我;
8Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9他们把人的规条当作道理去教导人,所以拜我也是徒然。’”
9Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).
10耶稣叫群众前来,对他们说:“你们要听,也要明白。
10Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11进到口里的不能使人污秽,只有从口里出来的,才能使人污秽。”
11tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.
12门徒前来告诉他:“法利赛人听了这话很生气,你知道吗?”
12Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
13耶稣说:“所有不是我天父栽种的植物,都要连根拔起来。
13Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14由得他们吧!他们是瞎眼的,却作了向导;如果瞎子领瞎子,二人都会跌进坑里。”
14Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
15彼得说:“请你给我们解释这个比喻吧。”
15Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.
16耶稣说:“你们还是不明白吗?
16Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
17难道不知道一切进到口里的,是进到肚腹,然后排泄到外面去吗?
17Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
18但从口里出来的,是发自内心,才会使人污秽。
18Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19因为从心里出来的,有恶念、凶杀、奸淫、淫乱、偷盗、假见证和毁谤。
19Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;[Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
20这些才会使人污秽,不洗手吃饭却不会这样。”
20izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
21迦南妇人的信心(可7:24-30)耶稣离开那里,来到推罗、西顿境内。
21Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
22有一个迦南的妇人从那地区出来,喊着说:“主啊,大卫的子孙,可怜我吧!我的女儿被鬼附得很苦。”
22Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
23耶稣一句话也不回答她。门徒上前求他说:“请叫她走吧,她一直跟在我们后面喊叫。”
23Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
24耶稣回答:“我被差遣,只是到以色列家的迷羊那里去。”
24Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
25她来跪在耶稣面前说:“主啊,求你帮助我!”
25Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26耶稣回答:“拿儿女的饼丢给小狗吃是不好的。”
26Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
27她说:“主啊,是的,不过小狗也吃主人桌子上掉下来的碎渣。”
27Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
28于是耶稣对她说:“妇人,你的信心真大,照你所想的给你成就吧!”从那时起,她的女儿就好了。
28Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.
29治好许多病人(可7:31-37)耶稣离开那里,来到加利利海边,就上山坐下。
29Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
30有许多人来到他那里,把瘸腿的、瞎眼的、残废的、哑的和许多别的病人,都带到耶稣跟前,他就医好他们。
30ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
31群众看见哑巴说话,残废的复原,瘸腿的行走,瞎眼的看见,就十分惊奇,于是颂赞以色列的 神。
31ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
32给四千人吃饱的神迹(可8:1-10。参太14:13-21)耶稣叫门徒前来,说:“我怜悯这一群人,因为他们跟我在一起已经有三天,也没有什么吃的;我不想叫他们饿着肚子回去,恐怕他们在路上晕倒。”
32Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
33门徒对他说:“我们在这旷野地方,哪里有足够的食物给这许多的人吃饱呢?”
33Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
34耶稣问他们:“你们有多少饼?”他们说:“七个饼和几条小鱼。”
34Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
35他就吩咐群众坐在地上,
35Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.
36拿起那七个饼和那些鱼,祝谢了,擘开递给门徒,门徒又分给众人。
36Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
37大家都吃了,并且吃饱了。他们把剩下的零碎拾起来,装满了七个大篮子。
37Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
38吃的人,除了妇女和孩子,共有四千。
38Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.
39耶稣解散了群众,就上了船,来到马加丹地区。
39Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.