1在山上改变形象(可9:2-13;路9:28-36)
1Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
2耶稣在他们面前改变了形象,脸好像太阳一样照耀,衣服洁白像光。
2Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
3忽然,摩西和以利亚向他们显现,跟耶稣谈话。
3Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.
4彼得对耶稣说:“主啊,我们在这里真好。如果你愿意,我就在这里搭三个帐棚,一个为你,一个为摩西,一个为以利亚。”
4Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
5彼得还说话的时候,有一朵明亮的云彩笼罩他们,云中有声音说:“这是我的爱子,我所喜悦的,你们要听他。”
5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
6门徒听见了,就俯伏在地上,非常害怕。
6Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7耶稣前来,摸着他们说:“起来,不用怕。”
7Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
8他们抬起头来,看见只有耶稣自己,没有别的人。
8Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
9他们下山的时候,耶稣吩咐他们:“人子从死人中复活以前,你们不要把所看见的异象告诉人。”
9Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10门徒就问他:“那么经学家为什么说,以利亚必须先来呢?”
10Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11他回答:“以利亚当然要来,并且复兴一切。
11Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
12但我告诉你们,以利亚已经来了,可是人们却不认识他,反而任意待他。照样,人子也要这样被他们苦待。”
12Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
13这时门徒才领悟,耶稣是指着施洗的约翰说的。
13Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
14治好癫痫病的小孩(可9:14-29;路9:37-42)耶稣和门徒来到群众那里,有一个人前来,跪下对耶稣说:
14Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
15“主啊,可怜我的儿子吧,他患了癫痫病,非常痛苦,好几次掉进火里和水中。
15Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.
16我带他去见你的门徒,他们却不能医好他。”
16Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
17耶稣说:“唉!这又不信又乖谬的世代啊!我要跟你们在一起到几时呢?我要忍受你们到几时呢?把孩子带到我这里来吧。”
17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
18耶稣斥责那鬼,鬼就从孩子身上出来;从那时起,孩子就好了。
18Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.
19门徒悄悄地前来问耶稣:“为什么我们不能把鬼赶出去呢?”
19Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
20他说:“因为你们的信心太小了。我实在告诉你们,只要你们的信心像一粒芥菜种,就是对这山说:‘从这里移到那里’,它也必移开。没有什么是你们不能作的。”
20Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
21(有些抄本有第21节:“这一类的鬼,如果不靠祷告和禁食,是赶不出来的。”)
21[Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)]
22第二次预言受难及复活(可9:30-32;路9:43-45)他们聚集在加利利的时候,耶稣对门徒说:“人子将要被交在人的手里,
22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa hatolotra ho eo an-tànan'ny olona
23他们要杀害他,第三天他要复活。”他们就很忧愁。
23ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
24缴纳殿税他们来到迦百农,收殿税的人前来对彼得说:“你们的老师不纳税吗?”
24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?[Gr. didrakma]
25他说:“纳。”他进到屋子里,耶稣先问他:“西门,你认为怎样?地上的君王向谁征收关税和丁税?向自己的儿子还是外人呢?”
25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?
26他回答:“外人。”耶稣对他说:“这样,儿子就可以免税了。
26Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
27但为了避免触犯他们,你要到海边去钓鱼;把第一条钓上来的鱼拿起来,打开鱼的嘴,你就会找到一个大银币。你可以拿去交给他们作你我的殿税。”
27Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.