1婚筵的比喻(路14:16-24)
1Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
2“天国好像一个王,为儿子摆设婚筵。
2Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.
3他派仆人去叫被邀请的人来参加婚筵。但他们不肯来。
3Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
4他再派另一些仆人去,说:‘你们告诉被邀请的人,我已经预备好了筵席,公牛和肥畜已经宰了,一切都预备妥当。来参加婚筵吧!’
4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.
5但那些人却不理会就走了;有的去耕田,有的去作买卖,
5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.
6其余的抓住王的仆人,凌辱他们,并且把他们杀了。
6Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7王就发怒,派兵消灭那些凶手,焚毁他们的城。
7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
8然后对仆人说:‘婚筵已经预备好了,只是被邀请的人不配。
8Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9所以你们要到大路口,凡遇见的,都请来参加婚筵。’
9Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
10“那些仆人就走到街上,把所有遇见的,不论好人坏人,都招聚了来,婚筵上就坐满了人。
10Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11王进来与赴筵的人见面,看见有一个人没有穿着婚筵的礼服,
11Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12就对他说:‘朋友,你没有婚筵的礼服,怎能进到这里来呢?’他就无话可说。
12Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13于是王对侍从说:‘把他的手和脚都绑起来,丢到外面的黑暗里,在那里必要哀哭切齿。’
13Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14因为被召的人多,选上的人少。”
14Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
15以纳税的事问难耶稣(可12:13-17;路20:20-26)法利赛人就去商量,怎样找耶稣的话柄来陷害他。
15Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
16他们派了自己的门徒和希律党的人一同去问耶稣:“老师,我们知道你为人诚实,照着真理把 神的道教导人,不顾忌任何人,因为你不徇情面。
16Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.
17请把你的意见告诉我们,纳税给凯撒,可不可以呢?”
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
18耶稣看出他们的恶意,就说:“虚伪的人,为什么试探我呢?
18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
19拿纳税的钱币给我看看。”他们就拿了一个银币给他。
19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20耶稣问他们:“这是谁的像,谁的名号?”
20Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
21他们回答:“凯撒的。”他就对他们说:“凯撒的应当归给凯撒, 神的应当归给 神。”
21Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
22他们听了,十分惊奇,就离开他走了。
22Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
23人复活后不娶不嫁(可12:18-27;路20:27-40)撒都该人向来认为没有复活的事。那一天,他们前来问耶稣:
23Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:
24“老师,摩西说:‘如果一个人死了,没有儿女,他的弟弟应该娶他的妻子,为哥哥立后。’
24Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
25从前我们这里有兄弟七人,头一个结了婚,没有孩子就死了,留下妻子给他的弟弟。
25Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;
26第二个、第三个直到第七个都是这样。
26ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
27最后,那女人也死了。
27Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28那么,复活的时候,她是这七个人中哪一个的妻子呢?因为他们都娶过她。”
28Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29耶稣回答他们:“你们错了,因为你们不明白圣经,也不晓得 神的能力。
29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
30复活的时候,人们也不娶也不嫁,而是像天上的使者一样。
30Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.[Na: (anjelin'Andriamanitra)]
31关于死人复活的事, 神对你们讲过:‘我是亚伯拉罕的 神,以撒的 神,雅各的 神’,你们没有念过吗? 神不是死人的 神,而是活人的 神。”
31Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
32
32Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
33群众听了他的教训,就十分诧异。
33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
34最重要的诫命(可12:28-31)法利赛人听见耶稣使撒都该人无话可说,就聚集在一起。
34Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35他们中间有一个律法家,试探耶稣说:
35Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36“老师,律法中哪一条诫命是最重要的呢?”
36Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?
37他回答:“你要全心、全性、全意爱主你的 神。
37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).
38这是最重要的第一条诫命。
38Izany no didy lehibe sady voalohany.
39第二条也和它相似,就是要爱人如己。
39Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
40全部律法和先知书,都以这两条诫命作为根据。”
40Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
41基督是大卫的子孙(可12:35-37;路20:41-44)法利赛人聚在一起的时候,耶稣问他们:
41Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42“你们对基督的看法怎样?他是谁的子孙呢?”他们回答:“大卫的子孙。”
42Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
43耶稣就说:“那么大卫被圣灵感动,怎么会称他为主呢?他说:
43Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44‘主对我的主说:你坐在我的右边,等我把你的仇敌放在你的脚下。’
44Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?
45“大卫既然称他为主,他怎么又是大卫的子孙呢?”
45Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
46没有人能够回答他。从那天起,也没有人敢再问他。
46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.