1十个童女的比喻
1Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[Na: fanilony]
2她们中间有五个是愚蠢的,五个是聪明的。
2Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
3那些愚蠢的拿着灯,却没有带油;
3Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[Na: fanilony]
4但那些聪明的拿着灯,也把油装在瓶里带来。
4ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.[Na: fanilony]
5新郎很晚还没有到,她们都打瞌睡,而且睡着了。
5Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6半夜,有人喊叫:‘新郎来了,快出来迎接他。’
6Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
7那些童女都醒过来,整理她们的灯。
7Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.[Na: fanilony]
8愚蠢的对聪明的说:‘请把你们的油分一点给我们,我们的灯快要灭了。’
8Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.[Na: fanilonay]
9聪明的回答:‘这些恐怕不够我们大家用,不如你们自己到卖油的地方去买吧!’
9Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
10她们去买油的时候,新郎来了;准备好了的童女就和他一同进去参加婚筵,门就关上了。
10Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
11后来,其余的童女也来到,说:‘主啊,主啊,给我们开门吧!’
11Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
12新郎却回答:‘我实在告诉你们,我不认识你们。’
12Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
13所以你们要警醒,因为不知道那日子和那时间。
13Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
14三个仆人的比喻(路19:12-27)“天国又像一个人要出外远行,就叫自己的仆人来,把产业交给他们。
14Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15他按照各人的才干,一个给三万个银币,一个给一万二千个银币,一个给六千个银币(原文作“五个,二个,一个他连得”;一个他连得等于六千个银币),然后就远行去了。
15koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16那领了三万的马上去做生意,另外赚了三万。
16Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
17那领了一万二千的也是这样,另赚了一万二千。
17Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18但那领了六千的,却去把地挖开,把主人的钱藏起来。
18Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19过了很久,那些仆人的主人回来了,要和他们算帐。
19Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20那领了三万个银币的,带着另外的三万前来,说:‘主啊,你交了三万给我,你看,我又赚了三万。’
20Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21主人对他说:‘又良善又忠心的仆人哪,你作得好!你既然在不多的事上忠心,我要派你管理许多的事。进来,享受你主人的快乐吧!’
21Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
22那领了一万二千的也前来,说:‘主啊,你交了一万二千给我,你看,我又赚了一万二千。’
22Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23主人对他说:‘又良善又忠心的仆人哪,你作得好!你既然在不多的事上忠心,我要派你管理许多的事。进来,享受你主人的快乐吧!’
23Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
24那领了六千的也前来,说:‘主啊,我知道你是个严厉的人,没有撒种的地方,你要收割;没有散播的地方,你要收聚。
24Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;
25所以,我就害怕起来,去把你的钱藏在地里。你看,你的钱还在这里。’
25dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26可是主人对他说:‘你这个又可恶又懒惰的仆人,你既然知道我要在没有撒种的地方收割,在没有散播的地方收聚,
26Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27那你就应该把我的钱存入银行,到我回来的时候,可以连本带利收回。
27koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28你们把他的六千银币拿去,交给那个有六万的。
28Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29因为凡是有的,还要给他,他就充足有余;凡是没有的,就算他有什么也要拿去。
29Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30把这没有用的仆人丢在外面的黑暗里,在那里必要哀哭切齿。’
30Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31人子必审判万族“当人子在他的荣耀里,带着所有的使者降临的时候,他要坐在荣耀的宝座上。
31Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
32万族要聚集在他面前,他要把他们彼此分开,好像牧羊人把绵羊和山羊分开一样:
32ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;[Gr: zanak'osy]
33把绵羊放在右边,山羊放在左边。
33ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
34那时,王要对右边的说:‘蒙我父赐福的,来承受创世以来为你们预备好的国吧。
34Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35因为我饿了,你们给我吃;我渴了,你们给我喝;我作旅客,你们接待我;
35fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
36我赤身露体,你们给我衣服穿;我病了,你们看顾我;我在监里,你们来看我。’
36tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
37义人就回答:‘主啊,我们什么时候见你饿了就给你吃,渴了就给你喝呢?
37Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38又什么时候见你作旅客就接待你,赤身露体就给你衣服穿呢?
38Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39或者什么时候见你病了,或在监里就来看你呢?’
39Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
40王要回答他们:‘我实在告诉你们,你们所作的,只要是作在我一个最小的弟兄身上,就是作在我的身上了。’
40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
41“王也要对左边的说:‘你们这被咒诅的,离开我,到为魔鬼和他的使者所预备的永火里去吧!
41Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
42因为我饿了,你们没有给我吃;我渴了,你们没有给我喝;
42fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43我作旅客,你们没有接待我;我赤身露体,你们没有给我衣服穿;我病了,我在监里,你们没有看顾我。’
43nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
44他们就回答:‘主啊,我们什么时候见你饿了、渴了、作旅客、赤身露体、病了,或在监里,却没有服事你呢?’
44Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45王要回答他们:‘我实在告诉你们,这些事你们既然没有作在一个最小的身上,就是没有作在我的身上了。’
45Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
46他们要进入永远的刑罚,义人却要进入永生。”
46Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.