聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

27

1耶稣被押交彼拉多(可15:1;路23:1;约18:28)
1Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.
2他们把他绑起来,押去交给总督彼拉多。
2Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
3犹大的结局(参徒1:18-19)那时,出卖耶稣的犹大见耶稣定了罪,就后悔了。他把那三十块银子还给祭司长和长老,说:
3Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
4“我有罪了!我出卖了无辜的人(“人”原文作“血”)!”他们说:“这是你的事,跟我们有什么关系?”
4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5犹大把银子丢进圣所,然后离开,出去吊死了。
5Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6祭司长把银子拾起来,说:“这是血钱,不可放在殿库里。”
6Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7他们商议之后,就用那些钱买了“陶匠的田”,用来作外国人的坟地。
7Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
8所以那田称为“血田”,直到今日。
8Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
9这应验了耶利米先知所说的:“他们拿了三十块银子,就是以色列人给他估定的价钱,
9Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,[Na: Nohajaina]
10用它买了‘陶匠的田’,正如主所指示我的。”
10ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).
11彼拉多判耶稣钉十字架(可15:2-15;路23:2、3、18-25;约18:29-19:16)耶稣站在总督面前,总督问他:“你是犹太人的王吗?”耶稣回答:“这是你说的。”
11Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12祭司长和长老控告他的时候,他却不回答。
12Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13彼拉多又问他:“他们作证指控你这么多的事,你没有听见吗?”
13dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14耶稣一句话也不回答他,令总督非常惊奇。
14Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
15每逢这节期,总督有一个惯例,就是给群众释放一个他们要求释放的囚犯。
15Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.
16那时,有个声名狼籍的囚犯,名叫耶数.巴拉巴。
16Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17群众聚集的时候,彼拉多问他们:“你们要我给你们释放谁?耶数.巴拉巴或是称为基督的耶稣呢?”
17Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18他知道他们是因为嫉妒才把耶稣交了来。
18Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
19彼拉多坐在审判台上的时候,他的夫人派人来说:“你不要干涉这个义人的事,因为昨夜我在梦中因他受了很多的苦。”
19Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20祭司长和长老怂恿群众,叫他们去要求释放巴拉巴,除掉耶稣。
20Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
21总督问他们:“这两个人,你们要我给你们释放哪一个?”他们说:“巴拉巴!”
21Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22彼拉多对他们说:“那么,我怎样处置那称为基督的耶稣呢?”他们齐声说:“把他钉十字架!”
22Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.
23彼拉多说:“他作了什么恶事呢?”众人更加大声喊叫:“把他钉十字架!”
23Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!
24彼拉多见无济于事,反会引起骚动,就拿水在群众面前洗手,说:“流这人的血,与我无关,你们自己负责吧。”
24Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
25群众回答:“流他的血的责任,归在我们和我们子孙的身上吧。”
25Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.
26于是彼拉多给他们释放了巴拉巴;他把耶稣鞭打了,就交给他们钉十字架。
26Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.[Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika milaza ny nokapohina tamin'ny fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]
27士兵戏弄耶稣(可15:16-20;约19:2-3)总督的士兵把耶稣带到总督府,召集全队士兵到他面前。
27Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.[Gr. pretoria]
28他们脱去他的衣服,给他披上朱红色的外袍,
28Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29又用荆棘编成冠冕,戴在他的头上,把一根芦苇放在他的右手,跪在他面前讥笑他说:“犹太人的王万岁!”
29Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
30然后向他吐唾沫,又拿起芦苇打他的头。
30Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31戏弄完了,就脱下他的外袍,给他穿回衣服,带去钉十字架。
31Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
32耶稣被钉十字架(可15:22-32;路23:33-43;约19:17-24)他们出来的时候,遇见一个古利奈人,名叫西门,就强迫他背耶稣的十字架。
32Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
33到了一个地方,名叫各各他,就是“髑髅地”的意思,
33Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
34他们把苦胆调和的酒给他喝,他尝了却不肯喝。
34dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35士兵把他钉了十字架,就抽签分他的衣服,
35Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
36然后坐在那里看守他。
36Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
37他们在耶稣的头以上,钉了一块牌子,写着他的罪状:“这是犹太人的王耶稣”。
37Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
38当时,有两个强盗和他一同钉十字架,一个在右,一个在左。
38Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
39过路的人嘲笑他,摇着头说:
39Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha[Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]
40“你这个想拆毁圣所,三日之内又把它建造起来的,救救自己吧!如果你是 神的儿子,从十字架上下来吧!”
40ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
41祭司长、经学家和长老也同样讥笑他,说:
41Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42“他救了别人,却不能救自己。如果他是以色列的王,现在可以从十字架上下来,我们就信他。
42Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43他信靠 神;如果 神喜悦他,就让 神现在救他吧,因为他说自己是 神的儿子。”
43natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.
44和他一同钉十字架的强盗也都这样侮辱他。
44Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
45耶稣死时的情形(可15:33-41;路23:44-49;约19:28-30)从正午到下午三点钟,遍地都黑暗了。
45Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46大约三点钟,耶稣大声呼叫:“以利,以利,拉马撒巴各大尼?”意思是“我的 神,我的 神,你为什么离弃我?”
46Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).
47有几个站在那里的人,听见了就说:“这个人在呼叫以利亚呢。”
47Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.
48有一个人马上跑去拿海绵蘸满了酸酒,用芦苇递给他喝。
48Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
49但其他的人说:“等一等,我们看看以利亚来不来救他。”
49Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50耶稣再大声呼叫,气就断了。
50Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
51忽然,圣所里的幔子从上到下裂成两半;地面震动,石头崩裂;
51Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
52而且坟墓开了,许多睡了的圣徒的身体也复活了,
52ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
53从坟墓里出来;到了耶稣复活之后,他们进到圣城向许多人显现。
53ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[Na:ary taorin',etc]
54百夫长和跟他一起看守耶稣的士兵,看见了地震和所发生的事情,就十分惧怕,说:“这个人真是 神的儿子。”
54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
55有许多妇女在那里远远地观看;她们是从加利利开始跟随耶稣服事他的。
55Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56她们中间有抹大拉的马利亚、雅各和约西的母亲马利亚,以及西庇太的儿子的母亲。
56Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.
57耶稣葬在新坟墓里(可15:42-47;路23:50-56;约19:38-42)到了晚上,有一个亚利马太的富翁来到,他名叫约瑟,是耶稣的门徒。
57Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.
58这个人去见彼拉多,请求领取耶稣的身体,彼拉多就吩咐给他。
58Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.
59约瑟领了耶稣的身体,用干净的细麻布裹好,
59Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
60放在自己的新坟墓里,就是在磐石里凿出来的。他辊了一块大石头来挡住墓门,然后才离开。
60dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61抹大拉的马利亚和另一个马利亚都在那里,对着坟墓坐着。
61Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
62卫兵严密看守坟墓第二天,就是过了“预备日”的那一天,祭司长和法利赛人去见彼拉多,说:
62Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
63“大人,我们想起那个骗子,生前说过:‘三天之后,我要复活。’
63ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64所以请你下令把坟墓严密看守,直到第三天,免得他的门徒来把他偷去,然后对民众说:‘他从死人中复活了。’这样,日后的骗局比起初的就更大了。”
64Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65彼拉多对他们说:“你们带着卫兵,尽你们所能的去严密看守吧。”
65Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
66他们就去把墓前的石封好,又派卫兵把守,严密地守住坟墓。
66Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.