1施洗约翰(可1:3-8;路3:2-17;约1:19-28)
1Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:
2说:“天国近了,你们应当悔改。”
2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
3以赛亚先知所说:“在旷野有呼喊者的声音:‘预备主的道,修直他的路!’”就是指着这约翰说的。
3Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).
4约翰身穿骆驼毛的衣服,腰束皮带,吃的是蝗虫和野蜜。
4Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
5耶路撒冷、犹太全地和约旦河一带的人都出来到他那里去,
5Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,
6承认自己的罪,在约旦河里受了他的洗。
6ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
7约翰看见许多法利赛人和撒都该人也来受他的洗,就对他们说:“毒蛇所生的啊,谁指示你们逃避那将要来的忿怒呢?
7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8应当结出果子来,与悔改的心相称。
8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
9你们心里不要以为:‘我们有亚伯拉罕作我们的祖宗。’我告诉你们, 神能从这些石头中给亚伯拉罕兴起后裔来。
9ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
10现在斧头已经放在树根上,所有不结好果子的树,就砍下来,丢在火里。
10Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
11我用水给你们施洗,表示你们悔改;但在我以后要来的那一位,能力比我更大,我就是替他提鞋也没有资格。他要用圣灵与火给你们施洗。
11Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
12他手里拿着簸箕,要扬净麦场,把麦子收进仓里,却用不灭的火把糠秕烧尽。”
12eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.
13耶稣受洗(可1:9-11;路3:21-22)那时,耶稣从加利利来到约旦河约翰那里,要受他的洗。
13Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.
14约翰想要阻止他,说:“我应该受你的洗,你却到我这里来吗?”
14Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
15耶稣回答:“暂且这样作吧。我们理当这样履行全部的义。”于是约翰答应了他。
15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
16耶稣受了洗,立刻从水中上来;忽然,天为他开了,他看见 神的灵,好像鸽子降下来,落在他身上;
16Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
17又有声音从天上来,说:“这是我的爱子,我所喜悦的。”
17Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.