聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

8

1治好痲风病人(可1:40-44;路5:12-14)
1Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
2有一个患痲风的人前来向他跪拜,说:“主啊!如果你肯,必能使我洁净。”
2Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
3耶稣伸手摸他,说:“我肯,你洁净了吧!”他的痲风立刻洁净了。
3Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.
4耶稣对他说:“你千万不可告诉别人,只要去给祭司检查,并且照着摩西所规定的献上供物,好向大家作证。”
4Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.
5治好百夫长的仆人(路7:1-10)耶稣到了迦百农,有一个百夫长前来恳求他,
5Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
6说:“主啊!我的仆人瘫痪了,躺在家里非常痛苦。”
6nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.
7耶稣对他说:“我去医治他。”
7Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
8百夫长回答:“主啊,要你到舍下来,实在不敢当。只要你说一句话,我的仆人就必好了。
8Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
9我自己是在别人的权下,也有兵在我以下;我对这个说‘去!’他就去,对另一个说‘来!’他就来;对仆人说‘作这个!’他就作。”
9Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
10耶稣听了,就很惊奇,对跟随的人说:“我实在告诉你们,这样的信心,我在以色列中从来没有见过。
10Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.
11我告诉你们,必有许多人从东从西来到,和亚伯拉罕、以撒、雅各在天国里一起吃饭。
11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;
12但本来要承受天国的人,反被丢在外面黑暗里,在那里必要哀哭切齿。”
12fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
13于是耶稣对百夫长说:“回去吧!事情必照你所信的给你成就。”他的仆人就在那时痊愈了。
13Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.
14治病赶鬼(可1:29-34;路4:38-41)耶稣来到彼得家里,看见他的岳母发烧,病在床上。
14Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.
15耶稣一摸她的手,热就退了;她就起来服事耶稣。
15Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
16到了黄昏,有些人带了许多被鬼附的人来见耶稣,他只用一句话就把污灵赶出去,并且医好了所有患病的人。
16Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
17这样正应验了以赛亚先知所说的:“他亲自除去我们的软弱,担当我们的疾病。”
17mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).
18跟从耶稣的要求(路9:57-60)耶稣看见许多人围着他,就吩咐往对岸去。
18Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
19有一位经学家前来对他说:“老师,你无论往哪里去,我都要跟从你!”
19Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
20耶稣回答:“狐狸有洞,天空的飞鸟有窝,但人子却没有栖身(“栖身”原文作“枕头”)的地方。”
20Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[volpa]
21另一个门徒对他说:“主啊!请准我先回去安葬我的父亲吧。”
21Ary nisy hafa koa tamin'ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
22耶稣对他说:“跟从我吧!让死人去埋葬他们的死人。”
22Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
23平静风浪(可4:36-41;路8:22-25)耶稣上了船,门徒跟着他。
23Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
24忽然海上起了狂风,甚至船都被波涛掩盖,但耶稣却睡着了。
24Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
25他们走来把他叫醒,说:“主啊!救命啊!我们没命了!”
25Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
26耶稣却对他们说:“小信的人哪!为什么害怕呢?”他就起来斥责风和海,风浪就平静了。
26Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
27众人都惊奇,说:“这是什么人,连风和海也听从他?”
27Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
28治好鬼附的人(可5:1-17;路8:26-37)耶稣过到对岸加大拉人的地区,遇见两个被鬼附着的人从墓地出来;他们十分凶暴,甚至没有人敢从那条路经过。
28Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany.
29他们喊叫:“ 神的儿子,我们跟你有什么关系呢?时候还没有到,你就来这里叫我们受苦吗?”
29Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?
30那时远远有一大群猪正在吃东西。
30Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
31那些鬼就求耶稣,说:“如果要赶我们出来,就准我们进到猪群里去吧。”
31Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.
32耶稣对他们说:“出去吧!”他们就出来,进了猪群。那一群猪忽然闯下山崖,掉在海里淹死了。
32Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.
33放猪的人逃进城里,把被鬼附的人的遭遇和一切事情,都报告出来。
33Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
34全城的居民都出来要见耶稣,看见了他,就求他离开他们的地区。
34Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.