1锡安末后必为万国的中心(赛2:1-4)
1[Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
2必有多国的人前来说:“来吧!我们上耶和华的山,登雅各 神的殿;他必把他的道路指示我们,我们也要遵行他的道;因为教训必出于锡安。耶和华的话要来自耶路撒冷。
2Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
3世界和平“他要在多族中施行审判,为远方的强国断定是非。他们必把刀剑打成犁头,把矛枪打成镰刀;这国不举刀攻击那国,他们也不再学习战事。
3Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
4各人都要坐在自己的葡萄树,和无花果树下,无人惊吓他们,因为万军之耶和华亲口说过了。
4Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
5虽然,万民各奉自己神的名行事,我们却要永远奉耶和华我们 神的名而行。”
5Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
6被掳到各处的必重归故土耶和华说:“到那日,我必召聚瘸腿的,集合被赶散的,和我所苦待的。
6Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
7我必使瘸腿的作余民;使软弱疲乏的成为强国;耶和华必在锡安山作王统治他们,从现在直到永远。
7Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
8你这羊群的守望楼啊!锡安女子的俄斐勒啊!从前的权柄,必归给你,就是耶路撒冷女子的国权,要归还给你。
8Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy.[Na: tilikambon'i Edera][Na: Ofelan'i Ziona][Na: hanjakana aminy]
9现在你为什么大声呼喊?难道你们中间没有君王吗?或是你的谋士灭亡了,以致疼痛抓紧你,好像临产的妇人呢?
9Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
10锡安的女子啊!你要疼痛劬劳,好像临产的妇人;因为现在你要从城里出来,住在田野,一定要到巴比伦去;在那里你要蒙拯救,在那里耶和华必救赎你,脱离仇敌的掌握。
10Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
11现在多国的民集合起来,攻击你,说:‘愿锡安被蹂躏,愿我们亲眼看见锡安遭报应。’”
11Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
12锡安必得最后胜利但是,他们却不知道耶和华的意念,也不明白他的谋略;他收集他们,好像把禾捆收集到禾场一样。
12Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13锡安的女子啊!起来踹谷吧!因为我必使你的角成为铁,使你的蹄成为铜;你必粉碎许多民族,把他们所得的,作为当灭之物献与耶和华,把他们的财宝献给全地的主。
13Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
14Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.