1尼尼微罪有应得
1Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2鞭声飕飕,轮声辚辚,骏马奔驰,战车颠簸跳动。
2Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3骑兵腾跃冲锋;刀剑烁烁发亮,枪矛闪闪生光;被杀的人众多,死尸成堆;尸体无数,众人都被尸体绊倒。
3He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
4都因妓女多有淫行,施邪术的美丽女巫,借着她的淫行诱惑列国,借着她的邪术欺骗万族。
4Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
5万军之耶和华说:看哪!我必攻击你;我要把你的裙子掀到你的脸上,使万国看见你赤身露体,使列邦看见你的羞耻。
5Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6我要把污秽可憎之物拋在你身上,侮辱你,使你成为众人观看的对象。
6Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7看见你的都必逃避你,说:“尼尼微荒凉了;有谁为她悲哀呢?”我在哪里可以找到安慰你的人呢?
7Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?
8挪亚们作前车之鉴你比挪亚们还强吗?挪亚们位于尼罗河流域,周围有水环绕;海是她的屏障,水作她的墙垣。
8Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9古实和埃及,是她无穷的力量,弗人和路比族,是她的助手。
9Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.[Heb. anao]
10然而她却被迁徙,被掳去了;她的婴孩在各街头被摔死;人们为她的尊贵人抽签。她所有的达官贵人都被锁链捆着。
10Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
11至于你,你必喝醉,必被隐藏;你必因仇敌的缘故,寻找避难所。
11Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12你一切堡垒,如同无花果树上初熟的果子,若被摇撼,就必落在想吃的人口中。
12Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
13看哪!在你里面的人都是妇女,你境内的门户,都向仇敌敞开;你的门闩被火烧毁。
13Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao.
14你要打水,以备围困,巩固你的堡垒,踹泥踏土,紧握砖模。
14Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15在那里火要烧灭你,刀剑要除灭你,吞吃你,好像吞吃蚱蜢一样,你只管增多如蚱蜢,加添像蝗虫,
15Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
16你增加了你的商人,多过天上的星辰。蚱蜢退了壳,就飞去了。
16Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17你的领袖多如蝗虫,你的军长像一群群的蚂蚱;天凉的时候,停留在篱笆上;太阳一出,就都飞走了;没有人知道它们在什么地方。
17Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
18哀吊亚述王亚述王啊!你的牧人睡觉,你的贵族安歇,你的子民分散在各山上,没有人招聚他们。
18Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
19你的创伤无法医治;你受的打击非常严重。听见你这消息的,都必向你鼓掌;因为你不断行恶,谁没有受过害呢?
19Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?