1与基督同死同活
1[Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?
2绝对不可!我们向罪死了的人,怎么可以仍然活在罪中呢?
2Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
3难道你们不晓得我们这受洗归入基督耶稣的人,是受洗归入他的死吗?
3Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
4所以我们借着洗礼归入死,与他同葬,为的是要我们过新生命的生活,像基督借着父的荣耀从死人中复活一样。
4Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
5我们若在他死的样式上与他联合,也要在他复活的样式上与他联合。
5Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [ Na: niara-nambolena]
6我们知道,我们的旧人已经与基督同钉十字架,使罪身丧失机能,使我们不再作罪的奴仆,
6fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
7因为死了的人已经脱离罪了。
7Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
8我们既然与基督同死,就信也必与他同活。
8Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
9我们知道,基督既然从死人中复活,就不再死,死也不再辖制他了。
9ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10他死,是向罪死了,只有这一次;他活,是向 神活着。
10Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
11你们也应当这样,向罪算自己是死的,在基督耶稣里,向 神却是活的。
11Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
12所以,不要容罪在你们必死的肉身上掌权,使你们顺从肉身的私欲,
12Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
13也不要把你们的肢体献给罪,作不义的用具;倒要像出死得生的人,把自己献给 神,并且把你们的肢体献给 神作义的用具。
13ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [ Na: fiasan'] [ Na: fiasan']
14罪必不能辖制你们,因为你们不是在律法之下,而是在恩典之下。
14Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
15作义的奴仆那却怎么样呢?我们不在律法之下,而在恩典之下,就可以犯罪吗?绝对不可!
15Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
16难道你们不知道你们自愿作奴仆去顺从人,顺从谁就作谁的奴仆,或作罪的奴仆以致于死,或作顺从的奴仆以致于义吗?
16Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
17感谢 神,你们虽然作过罪的奴仆,现在却从心里顺从了传授给你们的教义的规范。
17Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
18你们既然从罪里得了释放,就作了义的奴仆。
18ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
19因为你们肉体的弱点,我就按一般人的话来说,你们从前怎样把你们的肢体献给不洁和不法作奴仆,以致于不法,现在也要照样把你们的肢体献给义作奴仆,以致于成圣。
19Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
20你们作罪的奴仆的时候,就不受义的约束。
20Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
21那么,你们在现今以为羞耻的事上,当时得了什么呢?那些事的结局就是死。
21Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
22现在你们既然从罪里得了释放,作了 神的奴仆,就有成圣的果子,那结局就是永生。
22Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
23因为罪的工价就是死,但 神的恩赏,在我们的主基督耶稣里,却是永生。
23Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.