1圣灵使人脱离罪的律得自由
1[Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2因为生命之灵的律在基督耶稣里使我自由,脱离了罪和死的律。
2Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
3律法因肉体的软弱所作不到的, 神作到了:他差遣自己的儿子成为罪身的样式,为了除掉罪,就在肉体中把罪判决了,
3Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
4使律法所要求的义,可以在我们这些不随从肉体而随从圣灵去行的人身上实现出来。
4mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
5随从肉体的人,以肉体的事为念;随从圣灵的人,以圣灵的事为念。
5Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
6以肉体为念就是死,以圣灵为念就是生命、平安;
6Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
7因为以肉体为念就是与 神为仇,既不服从 神的律法,也的确不能够服从;
7satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
8属肉体的人不能得 神的喜悦。
8Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 神的灵既然住在你们里面,你们就不是属于肉体,而是属于圣灵的了。如果人没有基督的灵,就不是属于基督的。
9Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
10基督若在你们里面,你们的身体因着罪的缘故是死的,而圣灵却因着义的缘故赐给你们生命。
10Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa]
11如果那使耶稣从死人中复活者的灵住在你们里面,那使基督从死人中复活的,也必借着住在你们里面的圣灵,使你们必死的身体活过来。
11Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12与基督同作 神的后嗣弟兄们,可见我们并不是欠肉体的债,随着肉体而活。
12Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
13如果随着肉体而活,你们必定死;如果靠着圣灵治死身体的恶行,你们就必活着。
13Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
14因为蒙 神的灵引导的,都是 神的儿子。
14Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15你们接受的,不是奴仆的灵,使你们仍旧惧怕;你们接受的,是使人成为嗣子的灵,使我们呼叫“阿爸、父”。
15Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16圣灵亲自和我们的灵一同证明我们是 神的儿女。
16Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17既然是儿女,就是后嗣;是 神的后嗣,也和基督一同作后嗣。我们既然和他一同受苦,就必和他一同得荣耀。
17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
18耐心期待将来的荣耀我看现在的苦难,与将要向我们显出的荣耀,是无法相比的。
18Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
19被造的万物都热切渴望 神的众子显现出来。
19Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
20因为被造的万物服在虚空之下,不是自己愿意这样,而是由于使它屈服的那一位;
20fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
21被造的万物盼望自己得着释放,脱离败坏的奴役,得着 神儿女荣耀的自由。
21sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [ Na: satria]
22我们知道被造的万物直到现在都一同在痛苦呻吟。
22Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
23不但这样,连我们这些有圣灵作为初熟果子的人,自己也在内心叹息,热切期待成为嗣子,就是我们的身体得赎。
23ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
24我们得救时就存着这盼望;但是看得见的盼望不是盼望,因为谁会盼望自己看见了的呢?
24Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
25但如果我们盼望没有看见的,就会耐心地热切期待。
25Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
26照样,圣灵也在我们的软弱上帮助我们。原来我们不晓得应当怎样祷告,但圣灵亲自用不可言喻的叹息,替我们祈求。
26Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
27那鉴察人心的,晓得圣灵的心意,因为圣灵照着 神的旨意替圣徒祈求。
27Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.
28我们知道,为了爱 神的人,就是按他旨意蒙召的人的益处,万事都一同效力。
28Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
29因为 神预先知道的人,他就预先命定他们和他儿子的形象一模一样,使他的儿子在许多弟兄中作长子,
29satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
30他预先命定的人,又呼召他们;所召来的人,又称他们为义;所称为义的人,又使他们得荣耀。
30Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
31靠主就得胜有余既是这样,我们对这一切还有什么话说呢? 神若这样为我们,谁能敌对我们呢?
31Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32他连自己的儿子都舍得,为我们众人把他交出来,难道不也把万有和他一同白白地赐给我们吗?
32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33谁能控告 神拣选的人呢?有 神称我们为义了。
33Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
34谁能定我们的罪呢?有基督耶稣死了,而且复活了,现今在 神的右边,也替我们祈求。
34Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
35谁能使我们与基督的爱隔绝呢?是患难吗?是困苦吗?是迫害吗?是饥饿吗?是赤身露体吗?是危险吗?是刀剑吗?
35Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
36正如经上所记:“为你的缘故,我们终日面对死亡,人看我们像待宰的羊。”
36Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
37但靠着爱我们的那一位,我们在这一切事上就得胜有余了。
37Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
38因为我深信:无论是死、是生,是天使、是掌权的,是现在的事,是将来的事,是有能力的,
38Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
39是高天的、是深渊的,或是任何别的被造之物,都不能叫我们与 神的爱隔绝,这爱是在我们的主耶稣基督里的。
39na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.