1耶和华宣布审判
1Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
2耶和华说:“我必把万物从地上完全除灭。”
2[Ny hamaliana ny firenena rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
3耶和华说:“我必除灭人类、牲畜、空中飞鸟、海里的鱼。我必使恶人跌倒,我必把人类从地上剪除。
3Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4我必伸手攻击犹大,攻击耶路撒冷所有的居民。我必从这地方除掉巴力所余下的,除掉拜偶像的祭司的名字,以及耶和华的祭司;
4Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
5就是那些在房顶上敬拜天上万象的,那些敬拜耶和华,指着他起誓,又指着玛勒公起誓的,
5Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama, [Na: ny mpanjakany]
6那些转离不跟从耶和华的,不寻找耶和华,也不求问他的。”
6Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
7耶和华的日子你要在我主耶和华面前肃静!因为耶和华的日子临近了,因为耶和华已经预备了祭物,把自己所请来的人分别为圣。
7Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8“到了我耶和华献祭的日子,我必惩罚首领和王子,惩罚所有穿外族衣服的人。
8Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.
9到那日,我必惩罚所有跳过门槛的,所有使强暴和欺诈充满主人房屋的。”
9Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
10耶和华说:“到那日,必有呼叫的声音从鱼门发出来,必有哀号从新区发出来,必有崩裂巨响从山间发出来。
10Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
11玛革提施的居民哪!你们要哀号,因为所有的商人都灭亡了;所有称银子的都被剪除了。
11Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [Maktesy = Laona] [Na: vahoakan'i Kanana]
12那时,我必提灯搜查耶路撒冷,惩罚那些沉淀在酒渣上的人。这些人心里说:‘耶和华必不赐福,也不降祸。’
12Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13他们的财宝必成为掠物,他们的房屋必变为废墟。他们建造房屋,却不得住在其中;他们栽植葡萄园,却不得喝所出的酒。”
13Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14那日子的情形耶和华的大日子临近了,临近了,来得非常快速。听!耶和华的日子的声音。在那日,勇士要哀痛地号叫。
14Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15那日是忿怒的日子,是困苦艰难的日子,是荒废凄凉的日子,是黑暗幽冥的日子,是密云漆黑的日子,
15Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16是吹号吶喊,要攻打坚城,进击城楼的日子。
16Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
17我要使人受困苦,以致他们像瞎子行走,因为他们得罪耶和华。他们的鲜血必倒出,如倒灰尘一样,他们的身体必被遗弃像粪土一般。
17Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]
18在耶和华发怒的日子,他们的金银也不能救他们,全地都要被他的妒火吞灭;因为他要彻底毁灭地上所有的居民,真是可怕的毁灭。
18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]