1Moreover, brethren, I would not that ye should be ignorant, how that all our fathers were under the cloud, and all passed through the sea;
1[Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
2And were all baptized unto Moses in the cloud and in the sea;
2ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
3And did all eat the same spiritual meat;
3ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4And did all drink the same spiritual drink: for they drank of that spiritual Rock that followed them: and that Rock was Christ.
4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5But with many of them God was not well pleased: for they were overthrown in the wilderness.
5Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6Now these things were our examples, to the intent we should not lust after evil things, as they also lusted.
6Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny.
7Neither be ye idolaters, as were some of them; as it is written, The people sat down to eat and drink, and rose up to play.
7Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6).
8Neither let us commit fornication, as some of them committed, and fell in one day three and twenty thousand.
8Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
9Neither let us tempt Christ, as some of them also tempted, and were destroyed of serpents.
9Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. [ Na: [an'i Kristy]
10Neither murmur ye, as some of them also murmured, and were destroyed of the destroyer.
10Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
11Now all these things happened unto them for ensamples: and they are written for our admonition, upon whom the ends of the world are come.
11Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.
12Wherefore let him that thinketh he standeth take heed lest he fall.
12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13There hath no temptation taken you but such as is common to man: but God is faithful, who will not suffer you to be tempted above that ye are able; but will with the temptation also make a way to escape, that ye may be able to bear it.
13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
14Wherefore, my dearly beloved, flee from idolatry.
14Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15I speak as to wise men; judge ye what I say.
15Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16The cup of blessing which we bless, is it not the communion of the blood of Christ? The bread which we break, is it not the communion of the body of Christ?
16Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va izany? [ sy Na: fiombonana]
17For we being many are one bread, and one body: for we are all partakers of that one bread.
17Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.
18Behold Israel after the flesh: are not they which eat of the sacrifices partakers of the altar?
18Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
19What say I then? that the idol is any thing, or that which is offered in sacrifice to idols is any thing?
19Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20But I say, that the things which the Gentiles sacrifice, they sacrifice to devils, and not to God: and I would not that ye should have fellowship with devils.
20Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo.
21Ye cannot drink the cup of the Lord, and the cup of devils: ye cannot be partakers of the Lord's table, and of the table of devils.
21Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
22Do we provoke the Lord to jealousy? are we stronger than he?
22Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23All things are lawful for me, but all things are not expedient: all things are lawful for me, but all things edify not.
23Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24Let no man seek his own, but every man another's wealth.
24Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25Whatsoever is sold in the shambles, that eat, asking no question for conscience sake:
25Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26For the earth is the Lord's, and the fulness thereof.
26fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).
27If any of them that believe not bid you to a feast, and ye be disposed to go; whatsoever is set before you, eat, asking no question for conscience sake.
27Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28But if any man say unto you, This is offered in sacrifice unto idols, eat not for his sake that shewed it, and for conscience sake: for the earth is the Lord's, and the fulness thereof:
28Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29Conscience, I say, not thine own, but of the other: for why is my liberty judged of another man's conscience?
29Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
30For if I by grace be a partaker, why am I evil spoken of for that for which I give thanks?
30Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?
31Whether therefore ye eat, or drink, or whatsoever ye do, do all to the glory of God.
31Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
32Give none offence, neither to the Jews, nor to the Gentiles, nor to the church of God:
32Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
33Even as I please all men in all things, not seeking mine own profit, but the profit of many, that they may be saved.
33dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.