King James Version

Malagasy

1 John

2

1My little children, these things write I unto you, that ye sin not. And if any man sin, we have an advocate with the Father, Jesus Christ the righteous:
1Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [ Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16]
2And he is the propitiation for our sins: and not for our's only, but also for the sins of the whole world.
2ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. [ Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]
3And hereby we do know that we know him, if we keep his commandments.
3Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4He that saith, I know him, and keepeth not his commandments, is a liar, and the truth is not in him.
4Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
5But whoso keepeth his word, in him verily is the love of God perfected: hereby know we that we are in him.
5Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [ Na: ny fitiavan'Andriamanitra]
6He that saith he abideth in him ought himself also so to walk, even as he walked.
6Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [ Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc]
7Brethren, I write no new commandment unto you, but an old commandment which ye had from the beginning. The old commandment is the word which ye have heard from the beginning.
7Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
8Again, a new commandment I write unto you, which thing is true in him and in you: because the darkness is past, and the true light now shineth.
8Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9He that saith he is in the light, and hateth his brother, is in darkness even until now.
9Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany.
10He that loveth his brother abideth in the light, and there is none occasion of stumbling in him.
10Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
11But he that hateth his brother is in darkness, and walketh in darkness, and knoweth not whither he goeth, because that darkness hath blinded his eyes.
11Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12I write unto you, little children, because your sins are forgiven you for his name's sake.
12[Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
13I write unto you, fathers, because ye have known him that is from the beginning. I write unto you, young men, because ye have overcome the wicked one. I write unto you, little children, because ye have known the Father.
13Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
14I have written unto you, fathers, because ye have known him that is from the beginning. I have written unto you, young men, because ye are strong, and the word of God abideth in you, and ye have overcome the wicked one.
14Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15Love not the world, neither the things that are in the world. If any man love the world, the love of the Father is not in him.
15Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16For all that is in the world, the lust of the flesh, and the lust of the eyes, and the pride of life, is not of the Father, but is of the world.
16Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
17And the world passeth away, and the lust thereof: but he that doeth the will of God abideth for ever.
17Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
18Little children, it is the last time: and as ye have heard that antichrist shall come, even now are there many antichrists; whereby we know that it is the last time.
18Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [ Na: ilay]
19They went out from us, but they were not of us; for if they had been of us, they would no doubt have continued with us: but they went out, that they might be made manifest that they were not all of us.
19Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
20But ye have an unction from the Holy One, and ye know all things.
20Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
21I have not written unto you because ye know not the truth, but because ye know it, and that no lie is of the truth.
21Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
22Who is a liar but he that denieth that Jesus is the Christ? He is antichrist, that denieth the Father and the Son.
22Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [ Na: ilay antikristy]
23Whosoever denieth the Son, the same hath not the Father: he that acknowledgeth the Son hath the Father also.
23Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
24Let that therefore abide in you, which ye have heard from the beginning. If that which ye have heard from the beginning shall remain in you, ye also shall continue in the Son, and in the Father.
24Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
25And this is the promise that he hath promised us, even eternal life.
25Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26These things have I written unto you concerning them that seduce you.
26Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
27But the anointing which ye have received of him abideth in you, and ye need not that any man teach you: but as the same anointing teacheth you of all things, and is truth, and is no lie, and even as it hath taught you, ye shall abide in him.
27Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28And now, little children, abide in him; that, when he shall appear, we may have confidence, and not be ashamed before him at his coming.
28Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
29If ye know that he is righteous, ye know that every one that doeth righteousness is born of him.
29Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.