1Likewise, ye wives, be in subjection to your own husbands; that, if any obey not the word, they also may without the word be won by the conversation of the wives;
1Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2While they behold your chaste conversation coupled with fear.
2rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.
3Whose adorning let it not be that outward adorning of plaiting the hair, and of wearing of gold, or of putting on of apparel;
3Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4But let it be the hidden man of the heart, in that which is not corruptible, even the ornament of a meek and quiet spirit, which is in the sight of God of great price.
4fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
5For after this manner in the old time the holy women also, who trusted in God, adorned themselves, being in subjection unto their own husbands:
5Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6Even as Sara obeyed Abraham, calling him lord: whose daughters ye are, as long as ye do well, and are not afraid with any amazement.
6dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7Likewise, ye husbands, dwell with them according to knowledge, giving honour unto the wife, as unto the weaker vessel, and as being heirs together of the grace of life; that your prayers be not hindered.
7Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8Finally, be ye all of one mind, having compassion one of another, love as brethren, be pitiful, be courteous:
8[Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9Not rendering evil for evil, or railing for railing: but contrariwise blessing; knowing that ye are thereunto called, that ye should inherit a blessing.
9tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10For he that will love life, and see good days, let him refrain his tongue from evil, and his lips that they speak no guile:
10"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11Let him eschew evil, and do good; let him seek peace, and ensue it.
11Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12For the eyes of the Lord are over the righteous, and his ears are open unto their prayers: but the face of the Lord is against them that do evil.
12Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
13And who is he that will harm you, if ye be followers of that which is good?
13Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
14But and if ye suffer for righteousness' sake, happy are ye: and be not afraid of their terror, neither be troubled;
14Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15But sanctify the Lord God in your hearts: and be ready always to give an answer to every man that asketh you a reason of the hope that is in you with meekness and fear:
15fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16Having a good conscience; that, whereas they speak evil of you, as of evildoers, they may be ashamed that falsely accuse your good conversation in Christ.
16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17For it is better, if the will of God be so, that ye suffer for well doing, than for evil doing.
17Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18For Christ also hath once suffered for sins, the just for the unjust, that he might bring us to God, being put to death in the flesh, but quickened by the Spirit:
18Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19By which also he went and preached unto the spirits in prison;
19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20Which sometime were disobedient, when once the longsuffering of God waited in the days of Noah, while the ark was a preparing, wherein few, that is, eight souls were saved by water.
20dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21The like figure whereunto even baptism doth also now save us (not the putting away of the filth of the flesh, but the answer of a good conscience toward God,) by the resurrection of Jesus Christ:
21izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [ Na: fanontanian'] [ Na: amin'] [ Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
22Who is gone into heaven, and is on the right hand of God; angels and authorities and powers being made subject unto him.
22Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.