1And it came to pass, when he had made an end of speaking unto Saul, that the soul of Jonathan was knit with the soul of David, and Jonathan loved him as his own soul.
1Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2And Saul took him that day, and would let him go no more home to his father's house.
2Ary Saoly nandray azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy intsony.
3Then Jonathan and David made a covenant, because he loved him as his own soul.
3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4And Jonathan stripped himself of the robe that was upon him, and gave it to David, and his garments, even to his sword, and to his bow, and to his girdle.
4Ary nesorin'i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5And David went out whithersoever Saul sent him, and behaved himself wisely: and Saul set him over the men of war, and he was accepted in the sight of all the people, and also in the sight of Saul's servants.
5Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
6And it came to pass as they came, when David was returned from the slaughter of the Philistine, that the women came out of all cities of Israel, singing and dancing, to meet king Saul, with tabrets, with joy, and with instruments of music.
6Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.[Na: varahina telo zoro]
7And the women answered one another as they played, and said, Saul hath slain his thousands, and David his ten thousands.
7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
8And Saul was very wroth, and the saying displeased him; and he said, They have ascribed unto David ten thousands, and to me they have ascribed but thousands: and what can he have more but the kingdom?
8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9And Saul eyed David from that day and forward.
9Ary Saoly hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
10And it came to pass on the morrow, that the evil spirit from God came upon Saul, and he prophesied in the midst of the house: and David played with his hand, as at other times: and there was a javelin in Saul's hand.
10Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
11And Saul cast the javelin; for he said, I will smite David even to the wall with it. And David avoided out of his presence twice.
11Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12And Saul was afraid of David, because the LORD was with him, and was departed from Saul.
12Ary Saoly natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13Therefore Saul removed him from him, and made him his captain over a thousand; and he went out and came in before the people.
13Koa dia nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
14And David behaved himself wisely in all his ways; and the LORD was with him.
14Ary Davida dia hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15Wherefore when Saul saw that he behaved himself very wisely, he was afraid of him.
15Ary nony hitan'i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16But all Israel and Judah loved David, because he went out and came in before them.
16Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
17And Saul said to David, Behold my elder daughter Merab, her will I give thee to wife: only be thou valiant for me, and fight the LORD's battles. For Saul said, Let not mine hand be upon him, but let the hand of the Philistines be upon him.
17Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
18And David said unto Saul, Who am I? and what is my life, or my father's family in Israel, that I should be son in law to the king?
18Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?
19But it came to pass at the time when Merab Saul's daughter should have been given to David, that she was given unto Adriel the Meholathite to wife.
19Kanjo nony tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.
20And Michal Saul's daughter loved David: and they told Saul, and the thing pleased him.
20Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21And Saul said, I will give him her, that she may be a snare to him, and that the hand of the Philistines may be against him. Wherefore Saul said to David, Thou shalt this day be my son in law in the one of the twain.
21(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao. [Na: Izy roa vavy izao dia samy maha-vinantoko anao avokoa]
22And Saul commanded his servants, saying, Commune with David secretly, and say, Behold, the king hath delight in thee, and all his servants love thee: now therefore be the king's son in law.
22Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23And Saul's servants spake those words in the ears of David. And David said, Seemeth it to you a light thing to be a king's son in law, seeing that I am a poor man, and lightly esteemed?
23Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24And the servants of Saul told him, saying, On this manner spake David.
24Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25And Saul said, Thus shall ye say to David, The king desireth not any dowry, but an hundred foreskins of the Philistines, to be avenged of the king's enemies. But Saul thought to make David fall by the hand of the Philistines.
25Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.[Heb. saron-tsosoka]
26And when his servants told David these words, it pleased David well to be the king's son in law: and the days were not expired.
26Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27Wherefore David arose and went, he and his men, and slew of the Philistines two hundred men; and David brought their foreskins, and they gave them in full tale to the king, that he might be the king's son in law. And Saul gave him Michal his daughter to wife.
27dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.[Heb. saron-tsotsoka]
28And Saul saw and knew that the LORD was with David, and that Michal Saul's daughter loved him.
28Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29And Saul was yet the more afraid of David; and Saul became David's enemy continually.
29Ary dia vao mainka natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
30Then the princes of the Philistines went forth: and it came to pass, after they went forth, that David behaved himself more wisely than all the servants of Saul; so that his name was much set by.
30Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.