1And it came to pass, when David and his men were come to Ziklag on the third day, that the Amalekites had invaded the south, and Ziklag, and smitten Ziklag, and burned it with fire;
1[Ny namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;
2And had taken the women captives, that were therein: they slew not any, either great or small, but carried them away, and went on their way.
2ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3So David and his men came to the city, and, behold, it was burned with fire; and their wives, and their sons, and their daughters, were taken captives.
3Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4Then David and the people that were with him lifted up their voice and wept, until they had no more power to weep.
4Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
5And David's two wives were taken captives, Ahinoam the Jezreelitess, and Abigail the wife of Nabal the Carmelite.
5Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
6And David was greatly distressed; for the people spake of stoning him, because the soul of all the people was grieved, every man for his sons and for his daughters: but David encouraged himself in the LORD his God.
6Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.
7And David said to Abiathar the priest, Ahimelech's son, I pray thee, bring me hither the ephod. And Abiathar brought thither the ephod to David.
7Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
8And David inquired at the LORD, saying, Shall I pursue after this troop? shall I overtake them? And he answered him, Pursue: for thou shalt surely overtake them, and without fail recover all.
8Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
9So David went, he and the six hundred men that were with him, and came to the brook Besor, where those that were left behind stayed.
9Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany.
10But David pursued, he and four hundred men: for two hundred abode behind, which were so faint that they could not go over the brook Besor.
10Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
11And they found an Egyptian in the field, and brought him to David, and gave him bread, and he did eat; and they made him drink water;
11Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12And they gave him a piece of a cake of figs, and two clusters of raisins: and when he had eaten, his spirit came again to him: for he had eaten no bread, nor drunk any water, three days and three nights.
12Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13And David said unto him, To whom belongest thou? and whence art thou? And he said, I am a young man of Egypt, servant to an Amalekite; and my master left me, because three days agone I fell sick.
13Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
14We made an invasion upon the south of the Cherethites, and upon the coast which belongeth to Judah, and upon the south of Caleb; and we burned Ziklag with fire.
14Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.
15And David said to him, Canst thou bring me down to this company? And he said, Swear unto me by God, that thou wilt neither kill me, nor deliver me into the hands of my master, and I will bring thee down to this company.
15Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho.
16And when he had brought him down, behold, they were spread abroad upon all the earth, eating and drinking, and dancing, because of all the great spoil that they had taken out of the land of the Philistines, and out of the land of Judah.
16Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda.
17And David smote them from the twilight even unto the evening of the next day: and there escaped not a man of them, save four hundred young men, which rode upon camels, and fled.
17Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18And David recovered all that the Amalekites had carried away: and David rescued his two wives.
18Dia rarak'i Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa.
19And there was nothing lacking to them, neither small nor great, neither sons nor daughters, neither spoil, nor any thing that they had taken to them: David recovered all.
19Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
20And David took all the flocks and the herds, which they drave before those other cattle, and said, This is David's spoil.
20Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
21And David came to the two hundred men, which were so faint that they could not follow David, whom they had made also to abide at the brook Besor: and they went forth to meet David, and to meet the people that were with him: and when David came near to the people, he saluted them.
21Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
22Then answered all the wicked men and men of Belial, of those that went with David, and said, Because they went not with us, we will not give them ought of the spoil that we have recovered, save to every man his wife and his children, that they may lead them away, and depart.
22Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
23Then said David, Ye shall not do so, my brethren, with that which the LORD hath given us, who hath preserved us, and delivered the company that came against us into our hand.
23Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24For who will hearken unto you in this matter? but as his part is that goeth down to the battle, so shall his part be that tarrieth by the stuff: they shall part alike.
24Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.
25And it was so from that day forward, that he made it a statute and an ordinance for Israel unto this day.
25Dia izany no fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany.
26And when David came to Ziklag, he sent of the spoil unto the elders of Judah, even to his friends, saying, Behold a present for you of the spoil of the enemies of the LORD;
26Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
27To them which were in Bethel, and to them which were in south Ramoth, and to them which were in Jattir,
27dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira
28And to them which were in Aroer, and to them which were in Siphmoth, and to them which were in Eshtemoa,
28sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
29And to them which were in Rachal, and to them which were in the cities of the Jerahmeelites, and to them which were in the cities of the Kenites,
29sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita
30And to them which were in Hormah, and to them which were in Chorashan, and to them which were in Athach,
30sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Atakasy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.
31And to them which were in Hebron, and to all the places where David himself and his men were wont to haunt.
31sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.