King James Version

Malagasy

1 Samuel

9

1Now there was a man of Benjamin, whose name was Kish, the son of Abiel, the son of Zeror, the son of Bechorath, the son of Aphiah, a Benjamite, a mighty man of power.
1[Ny nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
2And he had a son, whose name was Saul, a choice young man, and a goodly: and there was not among the children of Israel a goodlier person than he: from his shoulders and upward he was higher than any of the people.
2Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
3And the asses of Kish Saul's father were lost. And Kish said to Saul his son, Take now one of the servants with thee, and arise, go seek the asses.
3Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4And he passed through mount Ephraim, and passed through the land of Shalisha, but they found them not: then they passed through the land of Shalim, and there they were not: and he passed through the land of the Benjamites, but they found them not.
4Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5And when they were come to the land of Zuph, Saul said to his servant that was with him, Come, and let us return; lest my father leave caring for the asses, and take thought for us.
5Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
6And he said unto him, Behold now, there is in this city a man of God, and he is an honorable man; all that he saith cometh surely to pass: now let us go thither; peradventure he can show us our way that we should go.
6Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
7Then said Saul to his servant, But, behold, if we go, what shall we bring the man? for the bread is spent in our vessels, and there is not a present to bring to the man of God: what have we?
7Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
8And the servant answered Saul again, and said, Behold, I have here at hand the fourth part of a shekel of silver: that will I give to the man of God, to tell us our way.
8Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
9(Beforetime in Israel, when a man went to inquire of God, thus he spake, Come, and let us go to the seer: for he that is now called a Prophet was beforetime called a Seer.)
9(Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
10Then said Saul to his servant, Well said; come, let us go. So they went unto the city where the man of God was.
10Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
11And as they went up the hill to the city, they found young maidens going out to draw water, and said unto them, Is the seer here?
11Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12And they answered them, and said, He is; behold, he is before you: make haste now, for he came to day to the city; for there is a sacrifice of the people to day in the high place:
12Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;
13As soon as ye be come into the city, ye shall straightway find him, before he go up to the high place to eat: for the people will not eat until he come, because he doth bless the sacrifice; and afterwards they eat that be bidden. Now therefore get you up; for about this time ye shall find him.
13ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.
14And they went up into the city: and when they were come into the city, behold, Samuel came out against them, for to go up to the high place.
14Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
15Now the LORD had told Samuel in his ear a day before Saul came, saying,
15Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
16To morrow about this time I will send thee a man out of the land of Benjamin, and thou shalt anoint him to be captain over my people Israel, that he may save my people out of the hand of the Philistines: for I have looked upon my people, because their cry is come unto me.
16Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
17And when Samuel saw Saul, the LORD said unto him, Behold the man whom I spake to thee of! this same shall reign over my people.
17Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
18Then Saul drew near to Samuel in the gate, and said, Tell me, I pray thee, where the seer's house is.
18Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.
19And Samuel answered Saul, and said, I am the seer: go up before me unto the high place; for ye shall eat with me to day, and to morrow I will let thee go, and will tell thee all that is in thine heart.
19Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20And as for thine asses that were lost three days ago, set not thy mind on them; for they are found. And on whom is all the desire of Israel? Is it not on thee, and on all thy father's house?
20Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
21And Saul answered and said, Am not I a Benjamite, of the smallest of the tribes of Israel? and my family the least of all the families of the tribe of Benjamin? wherefore then speakest thou so to me?
21Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
22And Samuel took Saul and his servant, and brought them into the parlor, and made them sit in the chiefest place among them that were bidden, which were about thirty persons.
22Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
23And Samuel said unto the cook, Bring the portion which I gave thee, of which I said unto thee, Set it by thee.
23Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
24And the cook took up the shoulder, and that which was upon it, and set it before Saul. And Samuel said, Behold that which is left! set it before thee, and eat: for unto this time hath it been kept for thee since I said, I have invited the people. So Saul did eat with Samuel that day.
24Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]
25And when they were come down from the high place into the city, Samuel communed with Saul upon the top of the house.
25Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
26And they arose early: and it came to pass about the spring of the day, that Samuel called Saul to the top of the house, saying, Up, that I may send thee away. And Saul arose, and they went out both of them, he and Samuel, abroad.
26Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
27And as they were going down to the end of the city, Samuel said to Saul, Bid the servant pass on before us, (and he passed on), but stand thou still a while, that I may show thee the word of God.
27Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.