1Wherefore when we could no longer forbear, we thought it good to be left at Athens alone;
1Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
2And sent Timotheus, our brother, and minister of God, and our fellowlabourer in the gospel of Christ, to establish you, and to comfort you concerning your faith:
2ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3That no man should be moved by these afflictions: for yourselves know that we are appointed thereunto.
3mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
4For verily, when we were with you, we told you before that we should suffer tribulation; even as it came to pass, and ye know.
4Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
5For this cause, when I could no longer forbear, I sent to know your faith, lest by some means the tempter have tempted you, and our labour be in vain.
5Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
6But now when Timotheus came from you unto us, and brought us good tidings of your faith and charity, and that ye have good remembrance of us always, desiring greatly to see us, as we also to see you:
6Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,-
7Therefore, brethren, we were comforted over you in all our affliction and distress by your faith:
7noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
8For now we live, if ye stand fast in the Lord.
8fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.
9For what thanks can we render to God again for you, for all the joy wherewith we joy for your sakes before our God;
9Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
10Night and day praying exceedingly that we might see your face, and might perfect that which is lacking in your faith?
10amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?
11Now God himself and our Father, and our Lord Jesus Christ, direct our way unto you.
11Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
12And the Lord make you to increase and abound in love one toward another, and toward all men, even as we do toward you:
12Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
13To the end he may stablish your hearts unblameable in holiness before God, even our Father, at the coming of our Lord Jesus Christ with all his saints.
13mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.