1I exhort therefore, that, first of all, supplications, prayers, intercessions, and giving of thanks, be made for all men;
1[Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,
2For kings, and for all that are in authority; that we may lead a quiet and peaceable life in all godliness and honesty.
2ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
3For this is good and acceptable in the sight of God our Saviour;
3Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4Who will have all men to be saved, and to come unto the knowledge of the truth.
4Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
5For there is one God, and one mediator between God and men, the man Christ Jesus;
5Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
6Who gave himself a ransom for all, to be testified in due time.
6sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.
7Whereunto I am ordained a preacher, and an apostle, (I speak the truth in Christ, and lie not;) a teacher of the Gentiles in faith and verity.
7Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
8I will therefore that men pray every where, lifting up holy hands, without wrath and doubting.
8Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.
9In like manner also, that women adorn themselves in modest apparel, with shamefacedness and sobriety; not with broided hair, or gold, or pearls, or costly array;
9Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, [ Gr. perila]
10But (which becometh women professing godliness) with good works.
10fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
11Let the woman learn in silence with all subjection.
11Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
12But I suffer not a woman to teach, nor to usurp authority over the man, but to be in silence.
12Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
13For Adam was first formed, then Eve.
13Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
14And Adam was not deceived, but the woman being deceived was in the transgression.
14Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
15Notwithstanding she shall be saved in childbearing, if they continue in faith and charity and holiness with sobriety.
15Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.