1Rebuke not an elder, but intreat him as a father; and the younger men as brethren;
1[Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
2The elder women as mothers; the younger as sisters, with all purity.
2ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.
3Honour widows that are widows indeed.
3Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
4But if any widow have children or nephews, let them learn first to shew piety at home, and to requite their parents: for that is good and acceptable before God.
4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
5Now she that is a widow indeed, and desolate, trusteth in God, and continueth in supplications and prayers night and day.
5Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
6But she that liveth in pleasure is dead while she liveth.
6Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7And these things give in charge, that they may be blameless.
7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
8But if any provide not for his own, and specially for those of his own house, he hath denied the faith, and is worse than an infidel.
8Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
9Let not a widow be taken into the number under threescore years old, having been the wife of one man.
9Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
10Well reported of for good works; if she have brought up children, if she have lodged strangers, if she have washed the saints' feet, if she have relieved the afflicted, if she have diligently followed every good work.
10ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
11But the younger widows refuse: for when they have begun to wax wanton against Christ, they will marry;
11Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
12Having damnation, because they have cast off their first faith.
12ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
13And withal they learn to be idle, wandering about from house to house; and not only idle, but tattlers also and busybodies, speaking things which they ought not.
13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
14I will therefore that the younger women marry, bear children, guide the house, give none occasion to the adversary to speak reproachfully.
14Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
15For some are already turned aside after Satan.
15Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16If any man or woman that believeth have widows, let them relieve them, and let not the church be charged; that it may relieve them that are widows indeed.
16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [ Gr. eklesia]
17Let the elders that rule well be counted worthy of double honour, especially they who labour in the word and doctrine.
17Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [ Gr. presbytera]
18For the scripture saith, Thou shalt not muzzle the ox that treadeth out the corn. And, The labourer is worthy of his reward.
18Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
19Against an elder receive not an accusation, but before two or three witnesses.
19Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [ Gr. presbytera]
20Them that sin rebuke before all, that others also may fear.
20Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
21I charge thee before God, and the Lord Jesus Christ, and the elect angels, that thou observe these things without preferring one before another, doing nothing by partiality.
21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
22Lay hands suddenly on no man, neither be partaker of other men's sins: keep thyself pure.
22Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
23Drink no longer water, but use a little wine for thy stomach's sake and thine often infirmities.
23Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
24Some men's sins are open beforehand, going before to judgment; and some men they follow after.
24Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
25Likewise also the good works of some are manifest beforehand; and they that are otherwise cannot be hid.
25Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.