1And Jehoshaphat the king of Judah returned to his house in peace to Jerusalem.
1Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
2And Jehu the son of Hanani the seer went out to meet him, and said to king Jehoshaphat, Shouldest thou help the ungodly, and love them that hate the LORD? therefore is wrath upon thee from before the LORD.
2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
3Nevertheless there are good things found in thee, in that thou hast taken away the groves out of the land, and hast prepared thine heart to seek God.
3Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao.
4And Jehoshaphat dwelt at Jerusalem: and he went out again through the people from Beersheba to mount Ephraim, and brought them back unto the LORD God of their fathers.
4[Ny nataon'i Josafata hahatsara ny fitondram-panjakana] Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
5And he set judges in the land throughout all the fenced cities of Judah, city by city,
5Ary nanendry mpitsara tamin'ny tany izy, dia tamin'ny isan-tanàna mimanda eran'i Joda,
6And said to the judges, Take heed what ye do: for ye judge not for man, but for the LORD, who is with you in the judgment.
6ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho an'i Jehovah, sady momba anareo ao amin'ny fitsarana Izy.
7Wherefore now let the fear of the LORD be upon you; take heed and do it: for there is no iniquity with the LORD our God, nor respect of persons, nor taking of gifts.
7Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
8Moreover in Jerusalem did Jehoshaphat set of the Levites, and of the priests, and of the chief of the fathers of Israel, for the judgment of the LORD, and for controversies, when they returned to Jerusalem.
8Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
9And he charged them, saying, Thus shall ye do in the fear of the LORD, faithfully, and with a perfect heart.
9ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy:
10And what cause soever shall come to you of your brethren that dwell in your cities, between blood and blood, between law and commandment, statutes and judgments, ye shall even warn them that they trespass not against the LORD, and so wrath come upon you, and upon your brethren: this do, and ye shall not trespass.
10Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
11And, behold, Amariah the chief priest is over you in all matters of the LORD; and Zebadiah the son of Ishmael, the ruler of the house of Judah, for all the king's matters: also the Levites shall be officers before you. Deal courageously, and the LORD shall be with the good.
11Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.