1But I determined this with myself, that I would not come again to you in heaviness.
1Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin'alahelo.
2For if I make you sorry, who is he then that maketh me glad, but the same which is made sorry by me?
2Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3And I wrote this same unto you, lest, when I came, I should have sorrow from them of whom I ought to rejoice; having confidence in you all, that my joy is the joy of you all.
3Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4For out of much affliction and anguish of heart I wrote unto you with many tears; not that ye should be grieved, but that ye might know the love which I have more abundantly unto you.
4Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5But if any have caused grief, he hath not grieved me, but in part: that I may not overcharge you all.
5Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6Sufficient to such a man is this punishment, which was inflicted of many.
6Ampy ho amin'izany olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
7So that contrariwise ye ought rather to forgive him, and comfort him, lest perhaps such a one should be swallowed up with overmuch sorrow.
7ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin'ny fitomboan'alahelo izany olona izany.[Gr. atelin']
8Wherefore I beseech you that ye would confirm your love toward him.
8Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
9For to this end also did I write, that I might know the proof of you, whether ye be obedient in all things.
9Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.
10To whom ye forgive any thing, I forgive also: for if I forgave any thing, to whom I forgave it, for your sakes forgave I it in the person of Christ;
10Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason'i Kristy,[Na: nisolo anay]
11Lest Satan should get an advantage of us: for we are not ignorant of his devices.
11fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12Furthermore, when I came to Troas to preach Christ's gospel, and a door was opened unto me of the Lord,
12Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin'ny Tompo,
13I had no rest in my spirit, because I found not Titus my brother: but taking my leave of them, I went from thence into Macedonia.
13dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14Now thanks be unto God, which always causeth us to triumph in Christ, and maketh manifest the savour of his knowledge by us in every place.
14Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
15For we are unto God a sweet savour of Christ, in them that are saved, and in them that perish:
15Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:
16To the one we are the savour of death unto death; and to the other the savour of life unto life. And who is sufficient for these things?
16amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany?Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.
17For we are not as many, which corrupt the word of God: but as of sincerity, but as of God, in the sight of God speak we in Christ.
17Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.