1Therefore seeing we have this ministry, as we have received mercy, we faint not;
1Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
2But have renounced the hidden things of dishonesty, not walking in craftiness, nor handling the word of God deceitfully; but by manifestation of the truth commending ourselves to every man's conscience in the sight of God.
2Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
3But if our gospel be hid, it is hid to them that are lost:
3Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
4In whom the god of this world hath blinded the minds of them which believe not, lest the light of the glorious gospel of Christ, who is the image of God, should shine unto them.
4izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
5For we preach not ourselves, but Christ Jesus the Lord; and ourselves your servants for Jesus' sake.
5Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy.
6For God, who commanded the light to shine out of darkness, hath shined in our hearts, to give the light of the knowledge of the glory of God in the face of Jesus Christ.
6Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[Na: hampisehoana]
7But we have this treasure in earthen vessels, that the excellency of the power may be of God, and not of us.
7Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
8We are troubled on every side, yet not distressed; we are perplexed, but not in despair;
8Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
9Persecuted, but not forsaken; cast down, but not destroyed;
9enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
10Always bearing about in the body the dying of the Lord Jesus, that the life also of Jesus might be made manifest in our body.
10mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [Gr. ny famonoanana an']
11For we which live are alway delivered unto death for Jesus' sake, that the life also of Jesus might be made manifest in our mortal flesh.
11Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
12So then death worketh in us, but life in you.
12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
13We having the same spirit of faith, according as it is written, I believed, and therefore have I spoken; we also believe, and therefore speak;
13Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
14Knowing that he which raised up the Lord Jesus shall raise up us also by Jesus, and shall present us with you.
14fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
15For all things are for your sakes, that the abundant grace might through the thanksgiving of many redound to the glory of God.
15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.
16For which cause we faint not; but though our outward man perish, yet the inward man is renewed day by day.
16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.[Ny olonay]
17For our light affliction, which is but for a moment, worketh for us a far more exceeding and eternal weight of glory;
17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
18While we look not at the things which are seen, but at the things which are not seen: for the things which are seen are temporal; but the things which are not seen are eternal.
18raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.