1Finally, brethren, pray for us, that the word of the Lord may have free course, and be glorified, even as it is with you:
1Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
2And that we may be delivered from unreasonable and wicked men: for all men have not faith.
2ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3But the Lord is faithful, who shall stablish you, and keep you from evil.
3Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy. [ Na: Ilay]
4And we have confidence in the Lord touching you, that ye both do and will do the things which we command you.
4Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
5And the Lord direct your hearts into the love of God, and into the patient waiting for Christ.
5Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
6Now we command you, brethren, in the name of our Lord Jesus Christ, that ye withdraw yourselves from every brother that walketh disorderly, and not after the tradition which he received of us.
6Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7For yourselves know how ye ought to follow us: for we behaved not ourselves disorderly among you;
7Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8Neither did we eat any man's bread for nought; but wrought with labour and travail night and day, that we might not be chargeable to any of you:
8ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
9Not because we have not power, but to make ourselves an ensample unto you to follow us.
9tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10For even when we were with you, this we commanded you, that if any would not work, neither should he eat.
10Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
11For we hear that there are some which walk among you disorderly, working not at all, but are busybodies.
11Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.
12Now them that are such we command and exhort by our Lord Jesus Christ, that with quietness they work, and eat their own bread.
12Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
13But ye, brethren, be not weary in well doing.
13Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
14And if any man obey not our word by this epistle, note that man, and have no company with him, that he may be ashamed.
14Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
15Yet count him not as an enemy, but admonish him as a brother.
15Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
16Now the Lord of peace himself give you peace always by all means. The Lord be with you all.
16Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
17The salutation of Paul with mine own hand, which is the token in every epistle: so I write.
17Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
18The grace of our Lord Jesus Christ be with you all. Amen.
18Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.