1At the end of every seven years thou shalt make a release.
1[Ny amin'ny taom-panafahana] Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
2And this is the manner of the release: Every creditor that lendeth ought unto his neighbor shall release it; he shall not exact it of his neighbor, or of his brother; because it is called the LORD's release.
2Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
3Of a foreigner thou mayest exact it again: but that which is thine with thy brother thine hand shall release;
3Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
4Save when there shall be no poor among you; for the LORD shall greatly bless thee in the land which the LORD thy God giveth thee for an inheritance to possess it:
4kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
5Only if thou carefully hearken unto the voice of the LORD thy God, to observe to do all these commandments which I command thee this day.
5raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
6For the LORD thy God blesseth thee, as he promised thee: and thou shalt lend unto many nations, but thou shalt not borrow; and thou shalt reign over many nations, but they shall not reign over thee.
6Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
7If there be among you a poor man of one of thy brethren within any of thy gates in thy land which the LORD thy God giveth thee, thou shalt not harden thine heart, nor shut thine hand from thy poor brother:
7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo;
8But thou shalt open thine hand wide unto him, and shalt surely lend him sufficient for his need, in that which he wanteth.
8fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
9Beware that there be not a thought in thy wicked heart, saying, The seventh year, the year of release, is at hand; and thine eye be evil against thy poor brother, and thou givest him nought; and he cry unto the LORD against thee, and it be sin unto thee.
9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
10Thou shalt surely give him, and thine heart shall not be grieved when thou givest unto him: because that for this thing the LORD thy God shall bless thee in all thy works, and in all that thou puttest thine hand unto.
10Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao.
11For the poor shall never cease out of the land: therefore I command thee, saying, Thou shalt open thine hand wide unto thy brother, to thy poor, and to thy needy, in thy land.
11Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.
12And if thy brother, an Hebrew man, or an Hebrew woman, be sold unto thee, and serve thee six years; then in the seventh year thou shalt let him go free from thee.
12Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito.
13And when thou sendest him out free from thee, thou shalt not let him go away empty:
13Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
14Thou shalt furnish him liberally out of thy flock, and out of thy floor, and out of thy winepress: of that wherewith the LORD thy God hath blessed thee thou shalt give unto him.
14fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
15And thou shalt remember that thou wast a bondman in the land of Egypt, and the LORD thy God redeemed thee: therefore I command thee this thing to day.
15Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
16And it shall be, if he say unto thee, I will not go away from thee; because he loveth thee and thine house, because he is well with thee;
16Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
17Then thou shalt take an awl, and thrust it through his ear unto the door, and he shall be thy servant for ever. And also unto thy maidservant thou shalt do likewise.
17dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao.
18It shall not seem hard unto thee, when thou sendest him away free from thee; for he hath been worth a double hired servant to thee, in serving thee six years: and the LORD thy God shall bless thee in all that thou doest.
18Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.
19All the firstling males that come of thy herd and of thy flock thou shalt sanctify unto the LORD thy God: thou shalt do no work with the firstling of thy bullock, nor shear the firstling of thy sheep.
19[Ny ho fanao amin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy] Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao dia hohamasininao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman'osinao.
20Thou shalt eat it before the LORD thy God year by year in the place which the LORD shall choose, thou and thy household.
20Eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah.
21And if there be any blemish therein, as if it be lame, or blind, or have any ill blemish, thou shalt not sacrifice it unto the LORD thy God.
21Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ireny.
22Thou shalt eat it within thy gates: the unclean and the clean person shall eat it alike, as the roebuck, and as the hart.
22Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
23Only thou shalt not eat the blood thereof; thou shalt pour it upon the ground as water.
23Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.