1There is an evil which I have seen under the sun, and it is common among men:
1[Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany:
2A man to whom God hath given riches, wealth, and honour, so that he wanteth nothing for his soul of all that he desireth, yet God giveth him not power to eat thereof, but a stranger eateth it: this is vanity, and it is an evil disease.
2dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3If a man beget an hundred children, and live many years, so that the days of his years be many, and his soul be not filled with good, and also that he have no burial; I say, that an untimely birth is better than he.
3Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4For he cometh in with vanity, and departeth in darkness, and his name shall be covered with darkness.
4Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany,
5Moreover he hath not seen the sun, nor known any thing: this hath more rest than the other.
5ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
6Yea, though he live a thousand years twice told, yet hath he seen no good: do not all go to one place?
6Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra?
7All the labour of man is for his mouth, and yet the appetite is not filled.
7Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8For what hath the wise more than the fool? what hath the poor, that knoweth to walk before the living?
8Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?
9Better is the sight of the eyes than the wandering of the desire: this is also vanity and vexation of spirit.
9Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
10That which hath been is named already, and it is known that it is man: neither may he contend with him that is mightier than he.
10Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.
11Seeing there be many things that increase vanity, what is man the better?
11Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona?Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?
12For who knoweth what is good for man in this life, all the days of his vain life which he spendeth as a shadow? for who can tell a man what shall be after him under the sun?
12Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?