1For this cause I Paul, the prisoner of Jesus Christ for you Gentiles,
1[Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2If ye have heard of the dispensation of the grace of God which is given me to you-ward:
2raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3How that by revelation he made known unto me the mystery; (as I wrote afore in few words,
3fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
4Whereby, when ye read, ye may understand my knowledge in the mystery of Christ)
4Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,
5Which in other ages was not made known unto the sons of men, as it is now revealed unto his holy apostles and prophets by the Spirit;
5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6That the Gentiles should be fellowheirs, and of the same body, and partakers of his promise in Christ by the gospel:
6dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
7Whereof I was made a minister, according to the gift of the grace of God given unto me by the effectual working of his power.
7izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.
8Unto me, who am less than the least of all saints, is this grace given, that I should preach among the Gentiles the unsearchable riches of Christ;
8Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
9And to make all men see what is the fellowship of the mystery, which from the beginning of the world hath been hid in God, who created all things by Jesus Christ:
9ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
10To the intent that now unto the principalities and powers in heavenly places might be known by the church the manifold wisdom of God,
10mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, [ Gr. eklesia]
11According to the eternal purpose which he purposed in Christ Jesus our Lord:
11araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12In whom we have boldness and access with confidence by the faith of him.
12Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13Wherefore I desire that ye faint not at my tribulations for you, which is your glory.
13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14For this cause I bow my knees unto the Father of our Lord Jesus Christ,
14Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
15Of whom the whole family in heaven and earth is named,
15Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16That he would grant you, according to the riches of his glory, to be strengthened with might by his Spirit in the inner man;
16mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
17That Christ may dwell in your hearts by faith; that ye, being rooted and grounded in love,
17mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,
18May be able to comprehend with all saints what is the breadth, and length, and depth, and height;
18mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
19And to know the love of Christ, which passeth knowledge, that ye might be filled with all the fulness of God.
19ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
20Now unto him that is able to do exceeding abundantly above all that we ask or think, according to the power that worketh in us,
20Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
21Unto him be glory in the church by Christ Jesus throughout all ages, world without end. Amen.
21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]