King James Version

Malagasy

Esther

4

1When Mordecai perceived all that was done, Mordecai rent his clothes, and put on sackcloth with ashes, and went out into the midst of the city, and cried with a loud and a bitter cry;
1[Ny alahelon'ny Jiosy, ary ny nataon'i Mordekay sy Estera mba tsy hahatanterahan'i Hamana izay nokasainy] Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2And came even before the king's gate: for none might enter into the king's gate clothed with sackcloth.
2ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3And in every province, whithersoever the king's commandment and his decree came, there was great mourning among the Jews, and fasting, and weeping, and wailing; and many lay in sackcloth and ashes.
3Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
4So Esther's maids and her chamberlains came and told it her. Then was the queen exceedingly grieved; and she sent raiment to clothe Mordecai, and to take away his sackcloth from him: but he received it not.
4Ary niditra ny ankizivavin'i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin'ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.[Heb. ionoka]
5Then called Esther for Hatach, one of the king's chamberlains, whom he had appointed to attend upon her, and gave him a commandment to Mordecai, to know what it was, and why it was.
5Ary Estera niantso an'i Hatàka, tsindranolahin' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.
6So Hatach went forth to Mordecai unto the street of the city, which was before the king's gate.
6Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;
7And Mordecai told him of all that had happened unto him, and of the sum of the money that Haman had promised to pay to the king's treasuries for the Jews, to destroy them.
7dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
8Also he gave him the copy of the writing of the decree that was given at Shushan to destroy them, to shew it unto Esther, and to declare it unto her, and to charge her that she should go in unto the king, to make supplication unto him, and to make request before him for her people.
8Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.
9And Hatach came and told Esther the words of Mordecai.
9Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera.
10Again Esther spake unto Hatach, and gave him commandment unto Mordecai;
10Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe:
11All the king's servants, and the people of the king's provinces, do know, that whosoever, whether man or women, shall come unto the king into the inner court, who is not called, there is one law of his to put him to death, except such to whom the king shall hold out the golden sceptre, that he may live: but I have not been called to come in unto the king these thirty days.
11Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
12And they told to Mordecai Esther's words.
12Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.
13Then Mordecai commanded to answer Esther, Think not with thyself that thou shalt escape in the king's house, more than all the Jews.
13Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka;
14For if thou altogether holdest thy peace at this time, then shall there enlargement and deliverance arise to the Jews from another place; but thou and thy father's house shall be destroyed: and who knoweth whether thou art come to the kingdom for such a time as this?
14fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?
15Then Esther bade them return Mordecai this answer,
15Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
16Go, gather together all the Jews that are present in Shushan, and fast ye for me, and neither eat nor drink three days, night or day: I also and my maidens will fast likewise; and so will I go in unto the king, which is not according to the law: and if I perish, I perish.
16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.
17So Mordecai went his way, and did according to all that Esther had commanded him.
17Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.