1When Jethro, the priest of Midian, Moses' father in law, heard of all that God had done for Moses, and for Israel his people, and that the LORD had brought Israel out of Egypt;
1[Ny namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
2Then Jethro, Moses' father in law, took Zipporah, Moses' wife, after he had sent her back,
2Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3And her two sons; of which the name of the one was Gershom; for he said, I have been an alien in a strange land:
3ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho;
4And the name of the other was Eliezer; for the God of my father, said he, was mine help, and delivered me from the sword of Pharaoh:
4ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao.
5And Jethro, Moses' father in law, came with his sons and his wife unto Moses into the wilderness, where he encamped at the mount of God:
5Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra:
6And he said unto Moses, I thy father in law Jethro am come unto thee, and thy wife, and her two sons with her.
6dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa.
7And Moses went out to meet his father in law, and did obeisance, and kissed him; and they asked each other of their welfare; and they came into the tent.
7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
8And Moses told his father in law all that the LORD had done unto Pharaoh and to the Egyptians for Israel's sake, and all the travail that had come upon them by the way, and how the LORD delivered them.
8Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy.
9And Jethro rejoiced for all the goodness which the LORD had done to Israel, whom he had delivered out of the hand of the Egyptians.
9Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana.
10And Jethro said, Blessed be the LORD, who hath delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of Pharaoh, who hath delivered the people from under the hand of the Egyptians.
10Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana.
11Now I know that the LORD is greater than all gods: for in the thing wherein they dealt proudly he was above them.
11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
12And Jethro, Moses' father in law, took a burnt offering and sacrifices for God: and Aaron came, and all the elders of Israel, to eat bread with Moses' father in law before God.
12Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
13And it came to pass on the morrow, that Moses sat to judge the people: and the people stood by Moses from the morning unto the evening.
13Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.
14And when Moses' father in law saw all that he did to the people, he said, What is this thing that thou doest to the people? why sittest thou thyself alone, and all the people stand by thee from morning unto even?
14Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
15And Moses said unto his father in law, Because the people come unto me to inquire of God:
15Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.
16When they have a matter, they come unto me; and I judge between one and another, and I do make them know the statutes of God, and his laws.
16Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.
17And Moses' father in law said unto him, The thing that thou doest is not good.
17Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18Thou wilt surely wear away, both thou, and this people that is with thee: for this thing is too heavy for thee; thou art not able to perform it thyself alone.
18Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
19Hearken now unto my voice, I will give thee counsel, and God shall be with thee: Be thou for the people to God-ward, that thou mayest bring the causes unto God:
19Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
20And thou shalt teach them ordinances and laws, and shalt show them the way wherein they must walk, and the work that they must do.
20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
21Moreover thou shalt provide out of all the people able men, such as fear God, men of truth, hating covetousness; and place such over them, to be rulers of thousands, and rulers of hundreds, rulers of fifties, and rulers of tens:
21Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
22And let them judge the people at all seasons: and it shall be, that every great matter they shall bring unto thee, but every small matter they shall judge: so shall it be easier for thyself, and they shall bear the burden with thee.
22Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
23If thou shalt do this thing, and God command thee so, then thou shalt be able to endure, and all this people shall also go to their place in peace.
23Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.
24So Moses hearkened to the voice of his father in law, and did all that he had said.
24Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25And Moses chose able men out of all Israel, and made them heads over the people, rulers of thousands, rulers of hundreds, rulers of fifties, and rulers of tens.
25Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
26And they judged the people at all seasons: the hard causes they brought unto Moses, but every small matter they judged themselves.
26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.
27And Moses let his father in law depart; and he went his way into his own land.
27Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.