1And afterward Moses and Aaron went in, and told Pharaoh, Thus saith the LORD God of Israel, Let my people go, that they may hold a feast unto me in the wilderness.
1[Ny nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2And Pharaoh said, Who is the LORD, that I should obey his voice to let Israel go? I know not the LORD, neither will I let Israel go.
2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3And they said, The God of the Hebrews hath met with us: let us go, we pray thee, three days' journey into the desert, and sacrifice unto the LORD our God; lest he fall upon us with pestilence, or with the sword.
3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4And the king of Egypt said unto them, Wherefore do ye, Moses and Aaron, let the people from their works? get you unto your burdens.
4Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
5And Pharaoh said, Behold, the people of the land now are many, and ye make them rest from their burdens.
5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
6And Pharaoh commanded the same day the taskmasters of the people, and their officers, saying,
6Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7Ye shall no more give the people straw to make brick, as heretofore: let them go and gather straw for themselves.
7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8And the tale of the bricks, which they did make heretofore, ye shall lay upon them; ye shall not diminish ought thereof: for they be idle; therefore they cry, saying, Let us go and sacrifice to our God.
8Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
9Let there more work be laid upon the men, that they may labor therein; and let them not regard vain words.
9Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
10And the taskmasters of the people went out, and their officers, and they spake to the people, saying, Thus saith Pharaoh, I will not give you straw.
10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11Go ye, get you straw where ye can find it: yet not ought of your work shall be diminished.
11fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
12So the people were scattered abroad throughout all the land of Egypt to gather stubble instead of straw.
12Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
13And the taskmasters hasted them, saying, Fulfil your works, your daily tasks, as when there was straw.
13Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14And the officers of the children of Israel, which Pharaoh's taskmasters had set over them, were beaten, and demanded, Wherefore have ye not fulfilled your task in making brick both yesterday and to day, as heretofore?
14Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ?
15Then the officers of the children of Israel came and cried unto Pharaoh, saying, Wherefore dealest thou thus with thy servants?
15Dia nankao amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin'ny mpanomponao ianao?
16There is no straw given unto thy servants, and they say to us, Make brick: and, behold, thy servants are beaten; but the fault is in thine own people.
16Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17But he said, Ye are idle, ye are idle: therefore ye say, Let us go and do sacrifice to the LORD.
17Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
18Go therefore now, and work; for there shall no straw be given you, yet shall ye deliver the tale of bricks.
18Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19And the officers of the children of Israel did see that they were in evil case, after it was said, Ye shall not minish ought from your bricks of your daily task.
19Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.
20And they met Moses and Aaron, who stood in the way, as they came forth from Pharaoh:
20Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy;
21And they said unto them, The LORD look upon you, and judge; because ye have made our savor to be abhorred in the eyes of Pharaoh, and in the eyes of his servants, to put a sword in their hand to slay us.
21dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22And Moses returned unto the LORD, and said, LORD, wherefore hast thou so evil entreated this people? why is it that thou hast sent me?
22Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
23For since I came to Pharaoh to speak in thy name, he hath done evil to this people; neither hast thou delivered thy people at all.
23Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.