1Now when the adversaries of Judah and Benjamin heard that the children of the captivity builded the temple unto the LORD God of Israel;
1[Ny nataon'ny Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao ny tempoly sy ny nandraran'ny mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2Then they came to Zerubbabel, and to the chief of the fathers, and said unto them, Let us build with you: for we seek your God, as ye do; and we do sacrifice unto him since the days of Esarhaddon king of Assur, which brought us up hither.
2dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3But Zerubbabel, and Jeshua, and the rest of the chief of the fathers of Israel, said unto them, Ye have nothing to do with us to build an house unto our God; but we ourselves together will build unto the LORD God of Israel, as king Cyrus the king of Persia hath commanded us.
3Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
4Then the people of the land weakened the hands of the people of Judah, and troubled them in building,
4Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
5And hired counsellors against them, to frustrate their purpose, all the days of Cyrus king of Persia, even until the reign of Darius king of Persia.
5sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
6And in the reign of Ahasuerus, in the beginning of his reign, wrote they unto him an accusation against the inhabitants of Judah and Jerusalem.
6Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
7And in the days of Artaxerxes wrote Bishlam, Mithredath, Tabeel, and the rest of their companions, unto Artaxerxes king of Persia; and the writing of the letter was written in the Syrian tongue, and interpreted in the Syrian tongue.
7Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.[Heb. Aramiana]
8Rehum the chancellor and Shimshai the scribe wrote a letter against Jerusalem to Artaxerxes the king in this sort:
8Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:
9Then wrote Rehum the chancellor, and Shimshai the scribe, and the rest of their companions; the Dinaites, the Apharsathchites, the Tarpelites, the Apharsites, the Archevites, the Babylonians, the Susanchites, the Dehavites, and the Elamites,
9Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10And the rest of the nations whom the great and noble Asnapper brought over, and set in the cities of Samaria, and the rest that are on this side the river, and at such a time.
10mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11This is the copy of the letter that they sent unto him, even unto Artaxerxes the king; Thy servants the men on this side the river, and at such a time.
11Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....
12Be it known unto the king, that the Jews which came up from thee to us are come unto Jerusalem, building the rebellious and the bad city, and have set up the walls thereof, and joined the foundations.
12Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13Be it known now unto the king, that, if this city be builded, and the walls set up again, then will they not pay toll, tribute, and custom, and so thou shalt endamage the revenue of the kings.
13Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
14Now because we have maintenance from the king's palace, and it was not meet for us to see the king's dishonour, therefore have we sent and certified the king;
14Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, [Heb. mihinana ny sira]
15That search may be made in the book of the records of thy fathers: so shalt thou find in the book of the records, and know that this city is a rebellious city, and hurtful unto kings and provinces, and that they have moved sedition within the same of old time: for which cause was this city destroyed.
15mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
16We certify the king that, if this city be builded again, and the walls thereof set up, by this means thou shalt have no portion on this side the river.
16Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.
17Then sent the king an answer unto Rehum the chancellor, and to Shimshai the scribe, and to the rest of their companions that dwell in Samaria, and unto the rest beyond the river, Peace, and at such a time.
17Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana .....
18The letter which ye sent unto us hath been plainly read before me.
18Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19And I commanded, and search hath been made, and it is found that this city of old time hath made insurrection against kings, and that rebellion and sedition have been made therein.
19ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
20There have been mighty kings also over Jerusalem, which have ruled over all countries beyond the river; and toll, tribute, and custom, was paid unto them.
20Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21Give ye now commandment to cause these men to cease, and that this city be not builded, until another commandment shall be given from me.
21Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22Take heed now that ye fail not to do this: why should damage grow to the hurt of the kings?
22Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
23Now when the copy of king Artaxerxes' letter was read before Rehum, and Shimshai the scribe, and their companions, they went up in haste to Jerusalem unto the Jews, and made them to cease by force and power.
23Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny. [Heb. amin-tsandry aman-kery]Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
24Then ceased the work of the house of God which is at Jerusalem. So it ceased unto the second year of the reign of Darius king of Persia.
24Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.