King James Version

Malagasy

Galatians

5

1Stand fast therefore in the liberty wherewith Christ hath made us free, and be not entangled again with the yoke of bondage.
1Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
2Behold, I Paul say unto you, that if ye be circumcised, Christ shall profit you nothing.
2[Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3For I testify again to every man that is circumcised, that he is a debtor to do the whole law.
3Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4Christ is become of no effect unto you, whosoever of you are justified by the law; ye are fallen from grace.
4Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
5For we through the Spirit wait for the hope of righteousness by faith.
5Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. [ Na: fanantenan']
6For in Jesus Christ neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision; but faith which worketh by love.
6Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
7Ye did run well; who did hinder you that ye should not obey the truth?
7Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8This persuasion cometh not of him that calleth you.
8Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
9A little leaven leaveneth the whole lump.
9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10I have confidence in you through the Lord, that ye will be none otherwise minded: but he that troubleth you shall bear his judgment, whosoever he be.
10Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11And I, brethren, if I yet preach circumcision, why do I yet suffer persecution? then is the offence of the cross ceased.
11Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12I would they were even cut off which trouble you.
12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo. [ Na: hanakilema tena]
13For, brethren, ye have been called unto liberty; only use not liberty for an occasion to the flesh, but by love serve one another.
13Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
14For all the law is fulfilled in one word, even in this; Thou shalt love thy neighbour as thyself.
14Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
15But if ye bite and devour one another, take heed that ye be not consumed one of another.
15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16This I say then, Walk in the Spirit, and ye shall not fulfil the lust of the flesh.
16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
17For the flesh lusteth against the Spirit, and the Spirit against the flesh: and these are contrary the one to the other: so that ye cannot do the things that ye would.
17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18But if ye be led of the Spirit, ye are not under the law.
18Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19Now the works of the flesh are manifest, which are these; Adultery, fornication, uncleanness, lasciviousness,
19Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20Idolatry, witchcraft, hatred, variance, emulations, wrath, strife, seditions, heresies,
20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21Envyings, murders, drunkenness, revellings, and such like: of the which I tell you before, as I have also told you in time past, that they which do such things shall not inherit the kingdom of God.
21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
22But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, longsuffering, gentleness, goodness, faith,
22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23Meekness, temperance: against such there is no law.
23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24And they that are Christ's have crucified the flesh with the affections and lusts.
24Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
25If we live in the Spirit, let us also walk in the Spirit.
25Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
26Let us not be desirous of vain glory, provoking one another, envying one another.
26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.