1And the LORD appeared unto him in the plains of Mamre: and he sat in the tent door in the heat of the day;
1[Ny nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
2And he lift up his eyes and looked, and, lo, three men stood by him: and when he saw them, he ran to meet them from the tent door, and bowed himself toward the ground,
2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3And said, My LORD, if now I have found favor in thy sight, pass not away, I pray thee, from thy servant:
3ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
4Let a little water, I pray you, be fetched, and wash your feet, and rest yourselves under the tree:
4Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5And I will fetch a morsel of bread, and comfort ye your hearts; after that ye shall pass on: for therefore are ye come to your servant. And they said, So do, as thou hast said.
5dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
6And Abraham hastened into the tent unto Sarah, and said, Make ready quickly three measures of fine meal, knead it, and make cakes upon the hearth.
6Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7And Abraham ran unto the herd, and fetched a calf tender and good, and gave it unto a young man; and he hasted to dress it.
7Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8And he took butter, and milk, and the calf which he had dressed, and set it before them; and he stood by them under the tree, and they did eat.
8Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
9And they said unto him, Where is Sarah thy wife? And he said, Behold, in the tent.
9Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10And he said, I will certainly return unto thee according to the time of life; and, lo, Sarah thy wife shall have a son. And Sarah heard it in the tent door, which was behind him.
10Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
11Now Abraham and Sarah were old and well stricken in age; and it ceased to be with Sarah after the manner of women.
11Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12Therefore Sarah laughed within herself, saying, After I am waxed old shall I have pleasure, my lord being old also?
12Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13And the LORD said unto Abraham, Wherefore did Sarah laugh, saying, Shall I of a surety bear a child, which am old?
13Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14Is any thing too hard for the LORD? At the time appointed I will return unto thee, according to the time of life, and Sarah shall have a son.
14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15Then Sarah denied, saying, I laughed not; for she was afraid. And he said, Nay; but thou didst laugh.
15Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
16And the men rose up from thence, and looked toward Sodom: and Abraham went with them to bring them on the way.
16[Ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma] Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17And the LORD said, Shall I hide from Abraham that thing which I do;
17Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
18Seeing that Abraham shall surely become a great and mighty nation, and all the nations of the earth shall be blessed in him?
18Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
19For I know him, that he will command his children and his household after him, and they shall keep the way of the LORD, to do justice and judgment; that the LORD may bring upon Abraham that which he hath spoken of him.
19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
20And the LORD said, Because the cry of Sodom and Gomorrah is great, and because their sin is very grievous;
20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
21I will go down now, and see whether they have done altogether according to the cry of it, which is come unto me; and if not, I will know.
21hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22And the men turned their faces from thence, and went toward Sodom: but Abraham stood yet before the LORD.
22Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
23And Abraham drew near, and said, Wilt thou also destroy the righteous with the wicked?
23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24Peradventure there be fifty righteous within the city: wilt thou also destroy and not spare the place for the fifty righteous that are therein?
24Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
25That be far from thee to do after this manner, to slay the righteous with the wicked: and that the righteous should be as the wicked, that be far from thee: Shall not the Judge of all the earth do right?
25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
26And the LORD said, If I find in Sodom fifty righteous within the city, then I will spare all the place for their sakes.
26Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27And Abraham answered and said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the LORD, which am but dust and ashes:
27Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28Peradventure there shall lack five of the fifty righteous: wilt thou destroy all the city for lack of five? And he said, If I find there forty and five, I will not destroy it.
28Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29And he spake unto him yet again, and said, Peradventure there shall be forty found there. And he said, I will not do it for forty's sake.
29Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30And he said unto him, Oh let not the LORD be angry, and I will speak: Peradventure there shall thirty be found there. And he said, I will not do it, if I find thirty there.
30Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31And he said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the LORD: Peradventure there shall be twenty found there. And he said, I will not destroy it for twenty's sake.
31ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32And he said, Oh let not the LORD be angry, and I will speak yet but this once: Peradventure ten shall be found there. And he said, I will not destroy it for ten's sake.
32Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
33And the LORD went his way, as soon as he had left communing with Abraham: and Abraham returned unto his place.
33Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.