1And it came to pass after these things, that one told Joseph, Behold, thy father is sick: and he took with him his two sons, Manasseh and Ephraim.
1[Ny tso-drano nataon'i Jakoba tamin'i Manase sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2And one told Jacob, and said, Behold, thy son Joseph cometh unto thee: and Israel strengthened himself, and sat upon the bed.
2Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
3And Jacob said unto Joseph, God Almighty appeared unto me at Luz in the land of Canaan, and blessed me,
3Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
4And said unto me, Behold, I will make thee fruitful, and multiply thee, and I will make of thee a multitude of people; and will give this land to thy seed after thee for an everlasting possession.
4Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5And now thy two sons, Ephraim and Manasseh, which were born unto thee in the land of Egypt before I came unto thee into Egypt, are mine; as Reuben and Simeon, they shall be mine.
5Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
6And thy issue, which thou begettest after them, shall be thine, and shall be called after the name of their brethren in their inheritance.
6Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
7And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Bethlehem.
7Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
8And Israel beheld Joseph's sons, and said, Who are these?
8Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
9And Joseph said unto his father, They are my sons, whom God hath given me in this place. And he said, Bring them, I pray thee, unto me, and I will bless them.
9Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
10Now the eyes of Israel were dim for age, so that he could not see. And he brought them near unto him; and he kissed them, and embraced them.
10Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
11And Israel said unto Joseph, I had not thought to see thy face: and, lo, God hath showed me also thy seed.
11Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
12And Joseph brought them out from between his knees, and he bowed himself with his face to the earth.
12Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.
13And Joseph took them both, Ephraim in his right hand toward Israel's left hand, and Manasseh in his left hand toward Israel's right hand, and brought them near unto him.
13Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14And Israel stretched out his right hand, and laid it upon Ephraim's head, who was the younger, and his left hand upon Manasseh's head, guiding his hands wittingly; for Manasseh was the firstborn.
14Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
15And he blessed Joseph, and said, God, before whom my fathers Abraham and Isaac did walk, the God which fed me all my life long unto this day,
15Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
16The Angel which redeemed me from all evil, bless the lads; and let my name be named on them, and the name of my fathers Abraham and Isaac; and let them grow into a multitude in the midst of the earth.
16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
17And when Joseph saw that his father laid his right hand upon the head of Ephraim, it displeased him: and he held up his father's hand, to remove it from Ephraim's head unto Manasseh's head.
17Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
18And Joseph said unto his father, Not so, my father: for this is the firstborn; put thy right hand upon his head.
18ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana.
19And his father refused, and said, I know it, my son, I know it: he also shall become a people, and he also shall be great: but truly his younger brother shall be greater than he, and his seed shall become a multitude of nations.
19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
20And he blessed them that day, saying, In thee shall Israel bless, saying, God make thee as Ephraim and as Manasseh: and he set Ephraim before Manasseh.
20Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
21And Israel said unto Joseph, Behold, I die: but God shall be with you, and bring you again unto the land of your fathers.
21Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
22Moreover I have given to thee one portion above thy brethren, which I took out of the hand of the Amorite with my sword and with my bow.
22Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.