1Therefore leaving the principles of the doctrine of Christ, let us go on unto perfection; not laying again the foundation of repentance from dead works, and of faith toward God,
1Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2Of the doctrine of baptisms, and of laying on of hands, and of resurrection of the dead, and of eternal judgment.
2ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
3And this will we do, if God permit.
3Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4For it is impossible for those who were once enlightened, and have tasted of the heavenly gift, and were made partakers of the Holy Ghost,
4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5And have tasted the good word of God, and the powers of the world to come,
5ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6If they shall fall away, to renew them again unto repentance; seeing they crucify to themselves the Son of God afresh, and put him to an open shame.
6nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7For the earth which drinketh in the rain that cometh oft upon it, and bringeth forth herbs meet for them by whom it is dressed, receiveth blessing from God:
7Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
8But that which beareth thorns and briers is rejected, and is nigh unto cursing; whose end is to be burned.
8fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
9But, beloved, we are persuaded better things of you, and things that accompany salvation, though we thus speak.
9Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10For God is not unrighteous to forget your work and labour of love, which ye have shewed toward his name, in that ye have ministered to the saints, and do minister.
10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
11And we desire that every one of you do shew the same diligence to the full assurance of hope unto the end:
11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
12That ye be not slothful, but followers of them who through faith and patience inherit the promises.
12mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.
13For when God made promise to Abraham, because he could swear by no greater, he sware by himself,
13Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14Saying, Surely blessing I will bless thee, and multiplying I will multiply thee.
14ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
15And so, after he had patiently endured, he obtained the promise.
15Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16For men verily swear by the greater: and an oath for confirmation is to them an end of all strife.
16Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17Wherein God, willing more abundantly to shew unto the heirs of promise the immutability of his counsel, confirmed it by an oath:
17Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
18That by two immutable things, in which it was impossible for God to lie, we might have a strong consolation, who have fled for refuge to lay hold upon the hope set before us:
18mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19Which hope we have as an anchor of the soul, both sure and stedfast, and which entereth into that within the veil;
19izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba;tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.
20Whither the forerunner is for us entered, even Jesus, made an high priest for ever after the order of Melchisedec.
20tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.